Anisan’ny firenena manana « zavatra » tranainy na taloha, maro i Madagasikara. Iray amin’ireny ny hira. Feo aloaky ny vava, zavamaneno, gadona, dihy miaraka aminy raha ilaina, sns. Samy tranainy avokoa. Mila havaozina? Tsy vitsy amin’ny mpihira na tarika mpihira amin’izao fotoana izao no mamerina na mamelona na manavao indray azy ireny. […]
kolon-tsaina
TARATRY ny KANTO
« Feo roa, sehatra iray ». Rahampitso alahady, manomboka amin’ny 3 ora, eny amin’ny CCIvato ilay fiarahana an-tsehatr’i Denise sy i D-Lain. Hafa noho ny mahazatra, satria hatao amin’ny rindra miavaka daholo ireo hira nosafidian’izy ireo hampiaraham-peo. Efa ela ny famerenana, ka na ireo mpankafy aza efa dodona ny hahita ny vokatra […]
Tolo-kevitra : Nivoaka ny boky « Handroso i Madagasikara »
Omaly, tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, no namoahana ilay boky « Handroso i Madagasikara » fa amin’ny fomba ahoana? nosoratan-dRakotomahenina Nary Todison. Amin’ny ankapobeny, mirakitra ny tetikasa ho fampandrosoana an’i Madagasikara amin’ny lafiny maro ity boky vaovao ity. Ny Malagasy ihany no afaka hampandroso an’i Madagasikara… », hoy ny mpanoratra. Zavatra mora tanterahina izany. […]
Anisha Jo : Hisy seho fahatelo rahampitso
Mihira sy ampihirain’ny fitiavana i Anisha Jo. Mialoha ny hiverenany any Frantsa, hihaona indray amin’ireo mpankafy eto Madagasikara izy. Tsy mahafoy! Tena azo fehezina anatin’izay, raha ny fihetseham-pon’i Anisha Jo. Noho izany, hanatontosa seho fahatelo izy, amin’izao fandalovany izao. Manome fotoana ireo mpankafy azy etsy amin’ny CCEsca Antanimena ity mpanakanto […]
TARATRY ny KANTO
Festival « Amoron’i Maniart”. Taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, hanomboka anio ny tena fandaharam-potoana amin’ity hetsika ho an’ny dihy, hatao any Ambositra ity. Hanomboka amin’ny 9 ora maraina ny fiofanana mahakasika ny Hip hop, Breaking, Afro dance, Dance hall ary ny Slam, ao amin’ny Alliance Française. Mamina, etsy amin’ny Phoenix […]