kolon-tsaina

Ampefy-Itasy : Nohatsaraina ny fitantanana ny « geysers » sy ny riandranon’i Lily

Toerana roa tsy azo hihodivirana ho an’ireo mitsidika an’Ampefy. Samy harembako-pirenena izay nasiam-panavaozana mba hahasarika mpizahatany bebe kokoa. Toeram-pizahantany akaiky indrindra an’Anta­nanarivo i Ampefy, any Itasy. Mahasarika na mpizahatany vahiny, na ireo mponina avy amin’ny faritra hafa, indrindra ny eto an-drehivohitra izy. Tsy maintsy tafiditra anatin’ny fandaharam-potoanan’ireo mpiala sasatra ny […]

TARATRY ny KANTO

Ho fantatra tsy ho ela izay hitondra sy hitantana ny birao foiben’ny Fikambanan’ny mpikabary ma­lagasy maneran-tany (Fimpima). Mandritra ny Zaikabe andiany fahenina, hotanterahina any Mahajanga, ny 27 jolay ka hatramin’ny 2 aogositra izao, no hanatontosana ny fifidianana isan’ambaratonga eo anivon’ity fikambanana ity. Na izany aza, tsy mbola nisy ny nanambara […]

« Génération 2000 » : Nokarohina ireo mpanakanto tadiavin’ny mpankafy

Fanembonana ny fahazazana sy ny fahatanorana. Fampiarahana an-tsehatra ireo indray nihira tamin’ny taona 2000 ihany koa. Namaly ny antson’ny mpankafy ireo mpanakanto. Hiverina ry 18,3. Hafa­liana ho an’ireo mpankafy azy ireo tany amin’ ny taona 2000 izany. Anisan’ ireo tarika hiaka-tsehatra man­dritra ny «Génération 2000» andiany faha-5, izay hatao ny […]

TARATRY ny KANTO

Ho tafaraka indray ny tarika Feo Gasy. Nanambara i Eric Manana, omaly, fa hisy ny seho hataon’ny tarika Feo Gasy any France. Hanomboka ny 4 septambra ao Montpellier izany, avy eo handalo tanàn-dehibe maro. Hiainga avy aty Madagasikara ry Benny sy Nini, hamonjy an’i Erick Manana sy i Pasy. Hiara-dalana […]

Angola Bagasy: Hamelomaso ireo hira tsy tontan’ny ela

Tafatsangana ny tarika Angola Bagasy. Mahalaza be ny anarany, satria ny hamelomaso ireo hira tsy tontan’ny ela no tanjona voalohany tamin’izany. Mpanakanto efa nilomano ela tanatin’ny bagasy rahateo no niara-niketrika an’izany. Zokiny indrindra ao amin’ny tarika i Beauzaka, izay fantatra indrindra amin’ny fanaovana hira misy hatsikana. Anisan’ny angadiny ny famerenana […]