kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

Hiditra amin’ny dingana faharoa ny fampianarana. Tao anatin’ny 9 volana, nomena fahalalana momba ny solfezy sy ny tontolon’ny valiha sy ny fiarahamonina malagasy ny mpianatra eo anivon’ny Valiha Académie. Fantatra, omaly, fa manomboka ny sabotsy 18 jolay izao, hifantoka any amin’ny fampahafantarana sy fitendrena ny karazana velom-baliha misy izy ireo. […]

Fitoriana an-kira : 60 taona ny antoko mpihira Anjomara Frenjy

Febroary 1966, tetsy amin’ny foibe Frenjy Faravohitra, teraka ny antoko mpihira Anjo­mara Frenjy. Ankehitriny, sampana mijoro eo anivon’ny FJKM Ambalavao Isotry izy io. Antom-pisian’ny Anjomara Frenjy (AFAI) ny hitory sy ha­napariaka ny Filazantsara voarakitra anaty Baiboly sy ireo toriteny eny anivon’ny fiangonana. Ireo, rahateo, no akora fototra entin-dRakotoa­risoa Raymond mandrafitra […]

Manandratra ny vita malagasy: Lasa ambasadaoron’ny World Cola i Denise

Dingana iray indray ho an’i Denise. Tetikasa maro no iarahany manatontosa amin’ny World Cola, manomboka izao. Fampiroboroana hatrany ny vita malagasy no tanjona. «Mahafaly anay ny mampahafantatra anareo fa ma­nomboka anio dia ambasadaoron’ny World Cola i Deni­se». Io ny nambaran’i Randja Bryan, tomponandraikitr’ity zava-pisotro vokarin’ny orinasa Star ity, omaly, tetsy […]

Festival « Sômaroho! »: «Mavesatra ny manafatra mpanakanto malaza », hoy i Wawa

Ny  Sômaroho indray izao no mitana ny lohany amin’ireo festivals manerana an’i Madagasikara. Tao anatin’ny taona maro fa tsy vao izao no nametrahan’i Wawa ny lazan’ity hetsika ara-kolontsaina mampiavaka an’i Nosy Be ity. Hotontosaina ny 5 hatraminin’ny 9 aogositra ny Soma­roho, any Nosy Be, amin’ity. Nisy ny fihaonana teo amin’i Wawa sy […]

« Ultimate Show » : Tratra ny tanjona, afapo ny rehetra

Nanatanteraka ny tomban’ezaka tamin’ny nanatontosana ilay seho « Ultimate Show » ireo mpikarakara. Nanambara ny fahafaham-po sy fanantenana ny hiroso amin’ny lehibe kokoa hatrany. Ny 5 jolay, teo amin’ny Parvis Stade Barea Mahamasina, no nanatanterahina ilay seho sehatra goavana « Ultimate Show », nahitana ny tarika Mage 4, Iraimbilanja ary Rheg The Gang. Omaly […]