Nosokafana omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Imahamasina, ny fankalazana ny faha-160 taonan’ny gazety malagasy (Gama) voalohany teto Madagasikara. Nahalalan’ny olona izany voalohany, ny Teny soa Analanandro. Mbola hisy ny ivon’ny fankalazana ary hofaranana amin’ny fananganana tranobe iombonana, izay tsangambato ho an’ ny asa fanaovan-gazety izany. Tsy hiankina […]
kolon-tsaina
Atao amin’ny teny malagasy : Laharam-pahamehana ny fampianarana
Manomboka tazana eny amin’ny tambajotran-tserasera ny famoahana lahatsoratra na fampahafantarana didy aman-dalàna na fanapahan-kevitra voasoratra amin’ny teny malagasy. Efa dingana lehibe sy fahasahiana goavana ny tahaka izany. Mbola mitoetra ho laharam-pahamehana kosa, anefa, ny fampianarana ny zaza na ny taranaka malagasy amin’ny tenin-drazany. Io no mila ahitsy haingana. Ampianarina sy […]
« Quiz Poésie Africaine » : Tompondaka i Miangola Ony
Tontosa omaly ny fanolorana ny loka ireo nisongadina tamin’ilay fifaninanana « Le quiz de la poésie africaine ». Natao hanasongadinana ny literatiora afrikanina izany. Nikatona ilay fifaninanana «Le quiz de la poésie africaine, Jacques Rabemananjara – Martial Sinda», ho an’i Madagasikara. Notolorana ny lokany, omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena, Anosy, ireo […]
TARATRY ny KANTO
Mitohy ny fanamarihana ny « Iray volan’ny hosodoko », any Mahajanga. Nisy ny atrikasa « Famoronana portfolio », notarihin’i Irina sy Istahn avy ao amin’ny Maison d’art Wtia Sary Boeny, ny alarobia teo. Hitohy amin’ny atrikasa « momba ny maha kanto » izany ny sabotsy izao, iarahana amin’i Ma-Fia, poeta mpanao slam. Mbola mitohy ihany koa […]
Ho valalanamboa… : Mitady ho difotra ny kolontsain’Imerina
Iray amin’ireo kolontsaina maro fahavalo ny eto Imerina. Misy ny mikiky avy ao anaty, fa tsy vitsy ihany koa ireo mandona avy any ivelany… Raha tsy mitandrina, ho difotra tsy ho ela ny kolontsain’Imerina. Ho an’ny mpandalina tantara sy fomba ary ny hay fivoaran’ny fiarahamonina, manana ny kolontsaina mampiavaka azy […]




