Volana marsa, volan’ny teatra. Hisy hetsika maromaro hanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ity sehakanto ity, ka anisany ny fifaninanana ho an’ireo mpianatra solontenan’ny sekoly maromaro. Marihina isaky ny 27 marsa ny Andro maneran-tany ho an’ny teatra. Misy hetsika maro tontosain’ny fianakaviamben’ny teatra, manodidina izany. Ho an’ity taona ity, hisy ny […]
kolon-tsaina
Fifaninanana kabary : nomena lamba vita fomba ny nandresy
Nanaovana fifaninanana maro samihafa ny hetsika fankalazana ny 8 marsa teny Ambohidratrimo. Nampiavaka izany ny fanasongadinana ny hetsika ara-panatanjahantena ho an’ny vehivavy sy ny fifaninanana ara-kolontsaina, toy ny kabary sy ny vakodrazana. Valo ireo nandray anjara tamin’ny lalao ara-panatanjahantena, baolina kitra. Efatra ny teo anivon’ny lalao basikety ary 4 ihany […]
«Madagascourt Film Festival» : fantatra ny anaran’ireo ho mpitsara
Nampahafantarin’ny tomponandraikitra, mpikarakara ny «Madagascourt Film Festival» (MFF), omaly, ireo matihanina eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika, hofidina ho mpitsara mandritra ny MFF, andiany faha-19. Miisa enina mianadahy izy ireo, ahitana Malagasy. Anisan’ny fepetra fototra ny fiseharany sy ny fananany ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika. Anisan’ny hofantenana amin’izany i […]
Taom-baovao malagasy: nitsofan-drano sy nihinanana ny vary amin-dronono tondrahan-tantely
Nankalazaina omaly, tetsy amin’ny Kianja masoandro, anatin’ny Rovan’i Madagasikara, ny lanonana ara-pomba ofisialin’ny Taom-baovao malagasy. Nahitana hetsika maro samihafa mahakasika izany avokoa ny vohitra rehetra teto Imerina. «Taom-baovao hamerenan-kasina ireo fomba amam-panao, entina hisaorana an’ Andriamanitra noho ny fitahiany, izay nomeny ny firenena sy ny mpitondra. Fotoana nahafahana mandravina ireo […]
Tontolon’ny hira : nodimandry i Mika Kely Bassiste
Lavo ny andrarezina! Nodimandry, omaly, i Raoel Brice Mick Angelot, fantatra amin’ny solon’anarana Mika Kely Bassiste. Araka io, ny fitendrena gitara « basse » (gitara migobom-peo) no tena nahafantarana azy. Tarika sy mpanakanto maro manana ny lazany no nametrahan’i Mika Kely Bassiste ny dian-tanany. Anisan’izany ny tarika ‘Zay, Samoëla… Ankoatra ny fitendrena […]