Nomarihina teny Anatirova ny “Taombaovao Malagasy fidiovana 2025”. Nisy ny fizarana ny “afo tsy maty” tao amin’ny Kianja Masoandro, ny asabotsy teo. Nitohy ny alahady izany, izay nanaovana ny fomba rehetra rehefa tonon-taona toa izao: tatao, tsodrano, sns. Nahitana vahiny maro nanatrika izany, ka inoana fa miroso mankany amin’ny fankatoavana […]
kolon-tsaina
« Alahamadibe »: Fararanon-danonana ny teny Ankazomalaza
« Hasina fa tsy laza. Tsy mamorona fa mamelo-maso ». Teny faneva nosafidian’ny vondron’ireo mpandala ny « Alahamadibe » tamin’ity io. Nosafidiana manokana ho ivon’ny fanamarihana ny « alahamadibe » ny teny amin’ ny Doany Ankazomalaza, Ambohimanga, na dia samy nanana ny fankalazany toa ny mahazatra isan-taona aza ireo Vohitra […]
« Bapampaglady Be »: Nampiakatra avo ny lentan’ny fampisehoana i Rossy
Seho roa, hotsaroan’ireo niaina azy mandrakizay ny “Bapampaglady Be”. Mbola ilay Rossy matihanina amin’ny mozika, manao fanamby goavana sy avo lenta no nitarika ny namany nahatontosa seho avo lenta. Sehatra intelo mihantoana, manerana ny ilan’ny lapa. “Ecran” nanemitra ny sehatra efa ho 15 metatra, izay vao mainka nanasongadina ireo mpanakanto. […]
TARATRY ny KANTO
Hotokanana ny Lapan’Andrianampoinimerina, eny amin’ny Doany Ankazomalaza Ambohimanga. Hotontosaina mandritra ny Alahamadibe, amin’ity faran’ny herinandro ity, izany. Hanomboka rahampitso ny fidiovana sy fanasinana, arahin’ny arendrina sy ny afo tsy maty ary ny lamalama ny alina. Ny 30 marsa kosa ny safo-drano, tatao, tsitsika, tolotra hasina, joro alahamady, tentina, tsodrano, zara […]
Moozik sy Davalt Rwikordz: Miara-dalana hanandratra ny mozika malagasy
Miabo hatrany! Nanamafy ny fiaraha-miasa efa natomboka ka hifampitantana ho fanandratana ny mozika malagasy ny trano mpamokatra Davalt Rwikordz sy ny Moozik. Mitovy ny fijery, iray ny tanjona. Nampahafantarina omaly, tetsy amin’ny Kudeta Carlton, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny trano mpamokatra mozika Davalt Rwikordz, sy ny orinasa Manoova, amin’ny […]