kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

Hisy ny fanomezam-boninahitra an’i Clarisse Ratsifandrihamanana. Hatao eny amin’ny Akademia Malagasy ny hetsika, rahampitso, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Amin’ny maha mpanoratra sy olon’ny literatiora azy, nanamarika vanim-potoana teto Madagasi­kara no antony. Hiverenana horesahina mandritra izany ireo sanganasany maro. Tohin’ny fitokanana ilay efitrano fampirantiana mitondra ny anaran’i Clarisse Ratsifandri­ha­manana […]

Vao mainka atahorana ny piraty: Tsy afa-mivelatra ny tontolon’ny boky

Fanaovana dika mitovy na fisandohana an-karihary. Fo­toana ela no efa niadiana ta­min’ny fanaovana piraty. Ha­tramin’izao, tsy mbola mivaingana sy misongadina manoloana ireo tena tompon’ny sanganasa ny vokatra azo. Mitombo isa ny mpivarotra boky eny amoron-dalana. Re­hefa tomorina akaiky, dika mi­tovy miloko avokoa no nanaovana azy ireny. Sady tsy na­nonta ny […]

“Fagnontsafa” : Nanasongadinana ny kolontsaina betsimisaraka

Fanehoana firaisankina, fampahafantarana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao betsimisaraka ny “Fagnotsafa”. Fihaonambe ihany koa ho an’ireo zanaky ny faritanin’i Toamasina aty Antananarivo. Tontosa ny alahady teo ny “Fagnontsafa”, tetsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina. Hetsika iray natao hanasongadinana ny kolontsaina betsimisaraka amin’ny endriny rehetra izy ity, izay fikarakaran’ny Fikamba­nan’ny zanak’i […]

TARATRY ny KANTO

Fanahy miara-droa « Diamondra & Piano ». Fampisehoana hotanterahina ny zoma 24 jolay izao, ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. Hitendry ireo zavamaneno ireo i Nico Randrianarijaona sy Clarck Rajaona. Hira FFPM ranoiray hoenti-misaotra noho ny fahavitan’ny fanadinana bakalorea. Hane­hoana ny harem-panahy hoentin’ny hira FFPM. Hanolokoloina sy hitaizana ny finoana an’i Jesoa Kristy […]

Kasaina ho eto Madagasikara : 50 taona an-tsehatra i Voahangy

Feo miavaka. Taona maro, tsy teto an-toerana… Marobe ireo efa mangetaheta ny haheno ny feony miainga avy eny an-tsehatra indray… Fantatra izao fa manana fikasana ny hankalaza ny faha-50 taona niakarany sehatra, eto Madagasikara, i Voahangy, amin’ny taona 2027. Ho an’ny mpitia zavakanto, anisan’ny andrasana fatratra ny ho tohin’ity fikasana […]