Mihafeno ihany, sady “mifameno”. Fantatra fa ho avy handray anjara amin’ny seho etsy amin’ny CCI Ivato koa i Njila. Poopy sy ny tarika Johary no hiaraka hampiara-peo an-tsehatra indray. Izay no niaingan’ilay “Kanto mifameno”, hotontosaina etsy amin’ny CCI Ivato, ny alahady 16 aogositra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Vaovao […]
kolon-tsaina
Andrarezin’ny hira malagasy: Nodimandry ny Mompera Baigny Dezy
Lavo ny andrarezina ! Nodimandry, omaly, teo amin’ny faha-89 taonany, ny Mompera Andriatsifa Désiré Anatole, fantatra tamin’ny solonanarana « Baigny Dezy ». Nanamarika manokana ny fiainany ny talenta sy ny fahaizany mozika. Nanao fianarana ambony tao amin’ny « Conservatoire de musique » tany Frantsa izy. Nampiasainy ho fitaovana hitoriana ny tenin’ Andriamanitra sy nanabeazana ara-panahy […]
Kaonseritra “Asandrato” : Hira 30 horedonina mandritra ny adiny telo
Hanakoako hira fiderana indray ny etsy Anosy, rahampitso sabotsy mandritra ny andron’ny “assomption”. Antoko mpihira telo no hanandratra ny feony, ao anatin’ny fankalazana taon-jobily. Hotanterahina rahampitso 15 aogositra, manomboka amin’ny 3 ora folakandro ao amin’ny efitrano Havoria Anosy, ilay kaonseritra “Asandrato”. Seho ara-pilazantsara, hanandratan’ireo antoko mpihira telo sangany sy manana […]
TARATRY ny KANTO
Ho avy eto an-tanindrazana i Voara ? Raha ny fampahafantarana any anaty tambajotran-tserasera, hisy ny seho an-tsehatra hiarahan’i Sahaza Guitariste sy i Voara, ny sabotsy 5 septambra izao, manomboka amin’ny 6 ora hariva, ao amin’ny Pho Resto Ivato. Fampisehoana nampitondraina ny lohateny « Hotsarovantsika ». Hanotrona an-dry zareo amin’izany ny tarika Fangia Kalo […]
Mila manovo fahalalana : Simbain’ny tantara ny kolontsaina
Tsy ny kolontsaina ihany fa na ny zavakanto, ny soatoavina ary indrindra ny fomba amam-panao malagasy, maro no simbain’ny tantara. Na, fanahiniana nodisoina na diso tsy nahy na novaina, sns. Amin’ny ankapobeny, ny vahiny no niezaka nandrakitra an-tsoratra ny tantaran’i Madagasikara sy ny Malagasy. Nampifangaroin-dry zareo tamin’ny fikatsahana tombontsoa manokana, […]





