Hatramin’izao, mbola ity boky tokana ity ihany no mirakitra zava-droa loha mifameno. Fampianarana valiha sy fampianarana teny malagasy. Fantatra, omaly, fa nohatevenina ny voarakitra ao anatin’ny laharana faharoa izay hivoaka tsy ho ela. Tany am-piandohana, ireo Malagasy monina any ivelany no nokendrena. Maro amin’izy ireny mantsy no mitaky ny hahay […]
kolon-tsaina
Hala-jaza : Voakitika ifotony ny kolontsaina malagasy
Zaza very atsy, zaza very aroa. Tao anatin’ny andro vitsivitsy monja, nahatratra 172 ny filazana sy fitarainana ho an’Antananarivo sy ny manodidina fotsiny. Samy manana ny filazany ny tsirairay. Tahaka izany koa ny tontolon’ny kolontsaina. «Ny zanaka no harena », hoy ny Malagasy. Misesy ny hala-jaza indrindra fa ny eto Antananarivo […]
TARATRY ny KANTO
Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana, 100 taona. Hisy ny lahadinika sy fampirantiana momba ity mpanoratra manana ny mampiavaka azy ity, ny 15 jolay manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, eny amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza. «Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana sy ny anjara birikiny teo anivon’ny Akademia malagasy» ny lohahevitra amin’izany. Sehatra bagasy volana jolay. […]
Raha te handroso… : Mila ihoarana ny « Mitady ny very »
Vanim-potoana tsy manam-piafarana? Mihitsoka ao anatin’ny «Mitady ny very ny Malagasy»? Taona 1896, vao nalain’ny Frantsay an-terisetra ny fahaleovan-tena. Nandalo sy nisongadina be teo amin’ny taona 1960. Nandalo ny 1972… Hatramin’izao, mbola mitady ny very hatrany ny Malagasy. Tafiditra ao anatin’izany ny kolontsaina. Efa mila ihoarana ny «Mitady ny very» […]
Adihevitra literera: Hotarihin’i Sy sy i Liantsoa
“Soratra velo-maharitra sa soratra velona mandrakizay?”. Io ny lohahevitra iompanan’ny adihevitra literera, hotontosaina anio amin’ny 2 ora, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, Efitrano Dox. Ny Faribolan’ny poeta sy mpanoratra Sandratra no mikarakara ny fotoana. Hitarika ny adihevitra kosa i Sy sy i Liantsoa. Ny voalohany, mpanao gazety, mpanoratra ary mpanabe an-tserasera; […]




