Saika nahitana fety avokoa ireo toerana fanaovana fampisehoana eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Samy nahasarika mpijery… Fa somary nanatombo ny mozika mafana. Stade annexe Mahamasina, nisokatra tamin’ny 9 ora maraina ny vavahady. « Gasy mifety » nahitana an-dry Wawa (au grand complet), Rao Lossa, Agrad, Lico Kininike, Tence Mena, Mr Sayd, DJ […]
kolon-tsaina
Volana mey : Hizara traikefa marolafy i Fidimalala
… Tsy ela fa vao andro vitsy. Nanamarika ny faha-97 taonany i Fidimalala. Mpanakanto anisan’ny zokiny indrindra eto Madagasikara sy any ivelany. Hizara ny traikefa maro ananany izy. Hiavaka tanteraka ny hetsika Sehatra Bagasy amin’io volana mey io. Ao amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola no hitondrana sy hizaran’i Fidimalala […]
TARATRY ny KANTO
Feno 20 taona ny lanonam-panokafana ny fitokanana ny sampana Havatsa-Upem Frantsa. Homarihina amina hetsika lehibe io vanim-potoana io, ny 26 avrily izao, ao amin’ny Espace André-Magné, 18 bis, rue du 14 juillet 94 270 Le Kremlin-Bicétre. Hisy ny «Antsan’i Frantsa» ravahina hira. Ny «Antsa nanavàtsa», faha-18 taona namafazan’i Hajaina ny […]
Pierrot Men – Boky : Nivoaka ny « Where the light lives »
«Faly aho milaza amintsika fa nivoaka ilay boky vaovao «Where the light lives»», hoy i Pierrot Men. Raha saripika miloko no nahafantarana ity kalaza amin’ny fakana sary ity. Somary hiova kely izany satria hiloko tanteraka ny boky. Hitondra ireo lokon’i Madagasikara nanomboka ny taona 2014, raha ny fanazavana nomeny. Ao […]
Andrarezin’ny hira malagasy: Nodimandry i Rolland Raelison
Vitsy no manana ny talentany. Nodimandry i Rolland Raelison, mpamoron-kira, mpihira, mpitendry zavamaneno… Maro be ireo kanto napetrany! Misaona ny tontolon’ny zavakanto malagasy. Nodimandry teo amin’ ny faha-87 taonany, tatsy amin’ny Nosy La Réunion, omaly 18 avrily 2025 maraina, i Rolland Raelison. Andrarezin’ ny hira malagasy. Sady mpamoron-kira no mpihira, […]