Efa tazana hatry ny ela ? Hanana ny hoaviny mamiratra ny tontolon’ny jazz eto Madagasikara. Nientana ny teny an-tsehatra. Tahaka izany ihany koa ny mpijery. Maro ny feo re fa niavaka ny… «… Mahay ianareo Malagasy, indrindra fa ny tanora. Manan-talenta ianareo… », hoy ireo vahiny tonga teny amin’ny famaranana ny fampisehoana an-tsehatra […]
kolon-tsaina
Sorakanto : Nodimandry i Sitraka « La Vérité »
Folaka an-dantony… Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Very namana, mpikambana mavitrika ny fikambanan’ny mpanao gazety mpikirakira ny vaovaon’ny kolontsaina, Sorakanto. Nodimandry teo amin’ny faha-36 taonany i Sitraka Rakotobe. Niasa tao amin’ny gazety La Verité no tena nahalalan’ny maro azy, nahazoany ny anarana Sitraka La Verité. Nanovo traikefa sy nanomboka asa […]
« Zara Lalao 2026 » : Roa andro hampiainana ireo lalao malagasy
Fampitana, fanabeazana, fanampiana ary fanohanana ireo zaza malagasy. Izay no tanjona ankapoben’ny fikambana Sombiny Haiko, araka ny fanazavana nomen’izy ireo tetsy amin’ny Ivokolo Analakely, omaly. Ho fanatanterahana izany, maro ireo hetsika efa notontosaina sy mbola tetikasa homanin’ny fikambanana. Akaiky indrindra amin’ izany ny «Zara Lalao 2026», hatao ny 15 sy […]
Kolontsaina, finoana : Hihaona ny taranak’ Ambohimamory
Iray amin’ireo vohitra manan-tantara eto Imerina i Ambohimamory. Tsy avelan’ny taranaka, fianakaviana, ankohonana ho very izany fa misy hatrany ny fihaonana eo amin-dry zareo. Hifankahalalana, hifampitana vaovao sy hafatra, hanatsarana an’Ambohimamory sy ny vakoka misy eo aminy. Iray amin’ireny toerana na faritra na trano manan-tantara ireny ny FJKM Ambohimamory Orimbato. […]
Jazz@Tohatohabato : Andrasana fatratra ny « Grande scène » rahampitso
Nizotra an-tsakany sy an-davany ny fandaharam-potoana. « Jazz Kids » narahin’ny « Jazz VIP ». Nodimbiasan’ny « Jazz Quartier ». Seho roa lehibe no andrasana anio sy rahampitso. Anio, manomboka amin’ ny 3 ora tolakandro, eo amin’ny tohatohabaton’ Antaninarenina. «Jazz Street» na ilay sehatra malalaka hanana endrika fifanakalozana ho an’ny […]





