kolon-tsaina

Noho ny fanagasiana taloha : Matahotra ny hampiasa teny malagasy ny Malagasy

Nanana ny akony sahady ilay fahalanian’ny tolo-dalàna hampiasana ny teny malagasy manomboka izao. Iray amin’ireo namela holatra lehibe ilay « fanagasiana » bontolo. Faly sahirana! Azo lazaina ho io no zava-nitranga nanoloana ilay fahalanian’ny volavolan-dalàna manome lanja sy hasina ny teny malagasy, teny amin’ny Antenimierampirenena. Seha­tra maro no ampiasana ny teny malagasy […]

TARATRY ny KANTO

« Grand concert en live». Fampisehoana rindrankira evanjelika «Miara-midera» hotanterahina ao Antsahamanitra, ny 12 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Handray anjara amin’izany ny Kerobima Ankatso, Ampifitia Isotry Fitiavana, Hosana Ambohijatovo Fitiavana, Ny Koraita Manarintsoa Finoana, KT Ambato­vi­naky. Nasaina manokana kosa i Nanie sy Mamy Robinson. Nitondra inona ny « Volan’ny […]

Tapôlaka Glady Timeless »: Tantaran’ny tarika Rossy no hoentina an-tsehatra

Hiaka-dapa indray ny « Tapôlaka Glady ». Sambany ho an’ny seho fa tsy sambany kosa ho an’ny tarika Rossy ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena. Nampahafantarina omaly, ny « Tapôlaka Glady Timeless », hatao ny 22 aogositra izao, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ ny Novotel Ivandry. « Time­less » satria ny hiran’ny tarika […]

Fampiasana ny teny malagasy : Tsara ny dingana fa mila fampiharana

Fahasahiana sy fandraisana andraikitra. Nankatoavin’ny antenimierampirenena ny tolo-dalàna momba ny politikan’ny fampiasana ny teny malagasy sy ny zo momba ny teny malagasy eto Madagasikara. Anisan’ny voarakitra ao anatin’ity lalàna ity ny fanasiana dika amin’ny teny malagasy ny didim-pitsarana, ny fifanarahana ifanaovan’ny mpiasa sy ny mpampiasa, fampiasana ny teny malagasy amin’ireo […]

« Fofon’aina » : Fampirantiana ireo tsongon’asan’i Pierrot Men

Angamba izy no mpaka sary ahafantarana indrindra an’i Madagasikara… Hisy ny fampirantiana ireo sanganasany notsongaina, haneho ny tontolony. «Fofon’aina»… Lohahevitra mahafaoka be, milaza ny fiainana fototra, ny antom-pisiana, ny maha olombelona. Fa tsy izay ihany no tiana hasongadina amin’ny fampirantiana « Fofon’aina », hanehoana ireo sanganasan’i Pierrot Men. Saripika araka ny nahafantarana […]