Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny hetsika famaranana « Festival des Livres Romantiques ». Namaranana izany ny seho hatsikana niarahana tamin’ny Rire délire sy ny fifaninanana Slamour 2024. Nandrombaka ny fifaninanana i Mitsinjo. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, ezahina hatrany ny hanamaro ny hetsika sahala amin’izao […]
kolon-tsaina
Taombaovao malagasy: nahitana marimaritra iraisana ny fankalazana
Niteraka resabe tao anatin’ny fotoana lava ny mahakasika ny fankalazana ny taombaovao malagasy. Nisy ny dinika sy ny fifampiresahana, araka ny nambaran’ny Printsesy Ratsimamanga Ralandison Fenosoa, mba hahafahana mahazo ny marimaritra iraisana. Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety teny amin’ny Rovan’i Madagasikara ireo Olobe sy mpitana ny soatoavina sy ny […]
Mpihira, mpitendry gitara beso : manohy ny lalana nosoritany i Tasha
“Ho lasa lavitra ity tovovavy ity…” Teny nivoaka tamin’ny vavan’ny mpankafy mozika iray, nijery ny sehon’ny tarika Naday indray andro io. I Tasha Randrianarilalaina ilay tovovavy. Izy no mpitendry gitara beson’ny tarika tamin’izany. Efa nanoritra ny lalany ity mpanakanto ity, taorian’ny fiarahany tamin’ny Vooots Kongregation izay tarihin-dry Rolf sy ny […]
« L’Amour en mots » : hatsikana sy Slam no hamaranana ny hetsika
Mifarana anio, eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny «Festival des Livres Romantiques : L’Amour en mots». Hetsika maro samihafa no hita teny an-toerana nandritra ny fotoana nanatontosana ny hetsika, ary mbola hisy izany amin’ity anio ity. Anisan’ny ho hita ao anio ny seho hatsikana, iarahana amin’ny Rire Délire, […]
Mivelatra fa poakaty : miha maivan-danja sy very hasina ny kolontsaina malagasy
Manana ny maha izy azy ny kolontsaina malagasy. Tsy voatery ho endrika ivelany ihany fa na ny fanahy nentina namorona sy nanehoana azy aza, mampivanaka olona maro… Arakaraka ny ivelaran’ireny kolontsaina ireny anefa no mamery hasina azy ankehitriny. Ianarana amin’ny «internet» io dia vita ! Mahatratra aman’alina izao ny mpikambana […]