Tafahaona teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny tia sy ny manina, omaly. Samy faly tokoa, ary niaraka nankafy indray ny hiran’ny tarika Mage 4, ireo mpankafy maro. Tontosa omaly tolakandro, teny amin’ny Lapan’ ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fampisehoana goavana niarahana tamin’ny tarika Mage 4. […]
kolon-tsaina
15 Taona aty aoriana: tafaverina indray ny « Revy vazo miteny »
Tanterahina rahampitso tolakandro, eny Antsahamanitra, ny fampisehoana « Revy sy vazo miteny ». Ireo Malagasy kintan’ny vazo miteny, Princio sy Rah Ckiky ary Samoela no hifandimby hampifaly ireo mpankafy vazo, mandritra ity fampisehoana ity. Hampiavaka izany ny fampiaraham-peon’ireto mpanakanto ireto. Vonona ny rehetra hanome ny tsara indrindra, mendrika ny mpankafy vazo miteny, […]
Kolontsaina sy serasera: misokatra ho an’ny rehetra ny Mozean’ny haino vaky jery
Toerana iray ahafahana mitaratra sy mamantatra ny lalana nodiavin’ny haino vaky jery teto Madagasikara ny eny amin’ny Havoria Anosy. “Hamela mamy ho an’ny taninjanaka”. Fanatanterahana io vinan’ny filoham-pirenena io no anisan’ny antony nananganana izao fotodrafitrasa izao. Tontosa omaly, teny Anosy, ny fitokanana ny Havoria: “Auditorium” sy mozean’ny haino vaky jery […]
« Kitranotrano »: hanasongadina ny « diorama » i Indie sy i Yves R.
Kanto hafakely ! Mpahay zavakanto samy manana ny talenta mampiavaka azy i Indie sy i Yves Robinson. Hanomboka amin’ny talata 12 septambra izao ka hatramin’ny 21 oktobra, ao amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, hifameno ireo. Tsy naka lavitra fa teto an-drenivohitra no nanaingana ny famolavolana. Tsy fahita firy ny […]
Horonantsarimihetsika: efa azon’ny rehetra jerena ny « Nampoina »
Tontosaina anio tolakandro, eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka, ny fandefasana ny horonantsary “Nampoina : Ny riaka no valampariako”, izay an’ny fikambanana Valamparihy, ho an’ny besinimaro. Ny mpianatra sy ny tanora no tena kendren’ny tomponandraikitra hahita ity horonantsary ity. Tanjona ny handefasana azy any amin’ireo Oniversitem-panjakana sy ireo sekoly maro samihafa. […]