Vaovao nahafaly ireo mpankafy : namoaka rakitsary vaovao ny Tempo Gaigy ny talata teo. Ny rakitsary no vaovao, fa ny hira kosa ilay mampanembona ny tany ambadiky ny 20 taona lasa. Ilay hira “Tianao impiry” mantsy no naverin-dry Faniry sy ny tariny. Niniana hifanandrify amin’ ny fanamarihana ny “Fetin’ny mpifankatia” omaly […]
kolon-tsaina
« Bob Marley : One love » Nivoaka ofisialy omaly
Naseho voalohany, omaly, tao amin’ny le Grand Rex, tao Frantsa, ny sarimihetsika « Bob Marley : One love ». Horonantsary mampahafantatra ny momba an’i Bob Marley, izay anisan’ny kintana sy andrarezin’ny gadona Reggea, izy ity. Niatrika ny famoahana izany sarimihetsika izany i Ziggy Marley, zanak’i Bob Marley. Araka ny nambaran’i Reinaldo Marcus Green, […]
Mahazo vahana ny karazam-pety: Arediredin’ny kolontsaina vahiny ny Malagasy
Manana ny fomba amam-panaony ny Malagasy. Voatosiky ny an-dry zareo vahiny anefa izy ireny ka manomboka tsy tazana intsony eto Madagasikara. Tsy very na takony fotsiny fa voasolo… Vao omaly, nanamarika ny « Fetin’ny mpifankatia » ny Malagasy. Raha ny fahafantarany (Malagasy) azy, amin’io vanim-potoana io no mifanolotra fitia na manamafy ny […]
Ho an’ny tenim-pirenena : hanao « Antsa tononkira » ny Havàtsa-Upem
Hiavaka tsy tahaka ny nisy teo aloha! 21 febroary, « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny » (natao dikan-teny malalaka). Hanatanteraka « Antsa tononkira », ao amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha (Efitranon’ny kolontsaina) ny Fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy, Havàtsa-Upem. Hovelomin-dry zareo an-tsehatra ireo tononkalo nosoratan’ny mpikambana Havàtsa-Upem. Hanana endrika miavaka io « Antsa tononkira » hotanterahina […]
Ripo andiany fahadimy : misolo tena antsika Rabearivelo Dina
Nisokatra nanomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy ny 18 febroary 2024, ny “Rencontres internationales des peintures de Ouagadougou (Ripo) andiany fahadimy. Hetsika iraisam-pirenena eo amin’ny hosodoko, karakarain’ny Association pour la promotion des arts plastiques (APAP). Mpahay kanto miangaly ny hosodoko miisa 40 avy amin’ny lafivalon’ny tany no mandray anjara […]