Miavaka ary tena mahavariana ireo vahiny ny atleta malagasy. Amin’ny taranja rehetra manana ilay fahaizana voajanahary izy ireo. Tsy sarotra ny mampianatra sy mampita fahaizana aminy fa vetivety ihany dia efa tafampita izany, hany ka tsy ela ny fiotazana ny vokatra. Na izany aza, rehefa tonga eo amin’ilay tanjona ny […]
kolon-tsaina
Lalao fanorona : mampandroso ary ifotoran’ny fiainan’ny Malagasy
Tontosa tetsy Ambohidratrimo, ny faran’ny herinandro teo ny “Festival fanorona”, andiany voalohany. Hetsika nokarakarain’i Souleman Mpikabary sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Tanjona ny hampivoatra sy hamelo-maso indray ny kolontsaina malagasy amin’ny alalan’ny fanorona. “Mifototra amin’ny fanorona avokoa ny foto-kevitra sy ny fiainanan’ny Malagasy rehetra”, hoy i Souleman Mpikabary, nandritra ny hetsika. […]
Fehezan-tononkalo: namoaka ny “Miaina fy tia” i Tsiaro
Tsy mandalo fotsiny amin’ny mpanoratra ny volana febroary, volan’ny mpifankatia… Namoaka ny boky “Miaina fy tia” i Tsiaro, ny faran’ny herinandro teo. « … Tononkalo voafantina manokana. Natao indrindra hanamarihina ny fetin’ny mpifankatia », raha ny fanazavany no voarakitra ao amin’ity boky vaovao mirakitra fehezan-tononkalo ity. « Miaina satria iainana amin’ny andavanandron’ny olombelona […]
Tanora Masina Itaosy: seho nanjakan’ny fitiavana ny « Ny tia dia… »
Antokom-pihira anisan’ny maro mpitia ny Tanora Masina Itaosy sy ireo sanganasany. Lalan-davitra no naleha. Naneho ireo vokatra nampanantenaina izy ireo, omaly. Nampita hafatra lehibe ihany koa. … Fampisehoana an-tsehatra goavana be nampitondraina ny lohateny « Ny tia dia… », notontosaina tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina. Nandritra ity seho ity ihany […]
« Festival Fanorona » : tanjona ny hampahafantatra ny maha izy azy
Tanterahina anio sy rahampitso, eny eny amin’ny Lapan’ny Tanànan’Ambohidratrimo, ny “Festival Fanorona” andiany voalohany. Ho hita, mandritra izany, ny fifaninanana fanorona sy velakevitra manodidina izany. Hisy ihany koa ny tranoheva sy fampirantiana mahakasika ity kilalaon-tsaina malagasy ity. Mbola hisy ny hetsika maro samihafa entina mandravaka ity hetsika ity, ankoatra ireo. […]