Tarika mpiangaly bagasy anisan’ny manana ny mampiavaka azy ny Ny AngolaItokiana. Izy ireo no hanatanteraka voalohany ny « Zara sehatra » karakarain’ny Sehatra Bagasy ho an’ity taona 2024 ity. Anio 10 febroary, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ka hatramin’ny 5 ora sy sasany, haneho ny talentany ireo mpikambana rehetra ao […]
kolon-tsaina
Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina Mangoro: « Hanofana tanora amin’ny sehatry ny zavakanto », hoy ny filoha
Hampiasaina hamohazana sy hikoloana ny talentan’ireo tanora. Nahazo Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina ihany koa ny ao Moramanga. Hanampy betsaka ny sehatry ny zavakanto izany. «Maro ireo tanora nomen’Andriamanitra fahasoavana, fa tsy manana ny hoenti-manana hamohazana ny talentany. Homena azy ireo ity fotodrafitrasa ity. Hanofanana ireo tanora eo amin’ny zavakanto […]
Madagaslam: Antenaina ny hisian’ny fifaninanana nasionaly
Hetsika maro samihafa eo amin’ny tontolon’ny « Slam » no hotanterahina, anio sy rahampitso, eny anivon’ireo ivontoeran’ny kolontsaina. Anisan’ny ho hita amin’izany ny seho an-tsehatra, misokatra ho an’ny rehetra, eo koa ireo atrikasa. Na dia maro isan-karazany aza ny hetsika, tanjona ny hampivoarana sy hampandrosoana ny tontolon’ny “Slam” eto Madagasikara. Eo ihany […]
Misaona ny Rock malagasy: nodimandry i Andry Balafomanga
Mbola tsy afa-tsaona tamin’ny nahalasanan’i Delacre akory… Lasa omaly indray i Andry Balafomanga, anisan’ireo andrin’ny rock’n Roll teto Madagasikara. Toy ny vara-datsaka ny vaovao omaly! Nodimandry i Andry Balafomanga… “Vao maraimbe no tsy salama tampoka izy ka nentina hopitaly. Tsy tana anefa ny ainy tonga tany”, hoy ny nampitain’ny fianakavian-dRakotozandry […]
Edouard Rajaona: 50 taona teo amin’ny sehatry ny kanto
Tanterahina ny 10 febroary 2024 hatramin’ny 24 febroary 2024, eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny fampirantiana «Edouard Rajaona, 50 ans de peinture». Fampirantiana ahitana ny hosodokon’i Edouard Rajaona, anisan’ny oloben’ny hosodoko malagasy. Natao izany ho fanomezam-boninahitra ity Malagasy mpanao hosodoko ity sy ho fankalazana ny faha-50 taona niseharany […]