Tamin’ny alalan’ny haikanto no nitondran’i Christian Sanna, ny antson’ireo reny sy nampahafantarany ny mahakasika ny fady mitaiza zaza kambana. Amin’ny alalan’ny haikanto ihany koa ny hitondrany izay mety ho fijery vaovao manoloana izany. Mitohy hatrany ny fampirantizna « Fady Kambana », ataon’i Christian Sanna, Malagasy mpahay kanto, mpaka sary, eny amin’ny Institut […]
kolon-tsaina
Tantara fihaino: hanao atrikasa ny V.M.T
Tany amin’ny taona 1980-2007 no anisan’ny nahazo vahana teo amin’ny isan-tokantrano ny fihainoana tantara alefan’ny Radio. Somary hadinodino izany tao aoriana noho ny fivelaran’ny serasera sy ny fitaovana mifanaraka amin’izany. Ankehitriny, manomboka miverina ny fitiavan’ny Malagasy mihaino tantara. Manoloana io tranga io, hanatanteraka atrikasa sy loabary an-dasy ny Vondron’ny mpiangaly […]
Hiragasy: nodimandry Rafetisamimanana Andohavary
Lavo ny andrarezina ! Araka ny vaovao nampitain’i Dadafara Lt Production, filoha lefitry ny Federasion’ny mpihiragasy, nodimandry ny 7 jona 2023, tamin’ny 1 ora maraina, teo amin’ny faha-81 taonany, Rafetisamimanana Andohavary. Vao ny faha-15 taonany izy dia efa nirotsaka nanao hiragasy. Izany hoe, 68 taona nanaovana ity zavakanto sady kolontsaina ity […]
Misy tsy mahalala akory ny tanin-drazany: nanjary tsy misy fototra sy very hasina ny Malagasy
Tahaka ny ompa atao amin’ny Malagasy ny fiheverana fa very tanin-drazana, na inona antony na inona antony. Lalainy fatratra ny tanin-drazany satria nipoiran’ny razany sy mbola hiafarana rahatrizay. Sarotiny amin’io izy, hany ka miantso tody sy manozona raha sendra mahita olona sahy manimbazimba ny tanin-drazany… … Saingy, taloha izany, fa […]
Teny malagasy: mifandimby manolo-kevitra ny Akademisianina
Hotontosaina, anio tolakandro, eny amin’ny Lapan’ ny Akademia Malagasy, Tsimbazaza, ny fivorian’ny sokajy haikanto sy hailaza sy ny sokajy haifiaina sy haifitondra. Mandritra izany fivoriana izany no hanatanterahana ny famelabelaran-kevitra sy dinika samihafa. Anisan’ny hitondra ny famelabelaran-kevitra amin’izany Ralambomahay Toavina sy Edouard Thomé de Charaix. Dinika sy famelabelaran-kevitra entina hanatsarana […]