kolon-tsaina

« Fialantsasatra kanto » : niisa 70 ireo nisitraka fiofanana momba ny fanaovana sary

Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fanabeazana sy mikolo ny saina ny fiangaliana ny zavakanto. Tsy vitan’ny fananana talenta fotsiny anefa izany, ilaina ny mamantatra ny fenitra eo amin’ny fanaovana sary mba hahatonga­vana eo amin’ny sehatry ny matihanina. Tanterahina eny amin’ny Lapan’ny Tanàna Ana­la­kely, nanomboka omaly ary hitohy anio, ny […]

TARATRY ny KANTO

Namoaka fanambarana tao anaty tambajotran-tserasera ny orinasa mpamokatra horonantsary, Ny Avoko Production, omaly, fa tsy nodimandry i Babiche, mpilalao horonantsary ao amin’izy ireo. Araka ny fanazavana nataon’izy ireo hatrany, manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly ity vehivavy ity. Nifarana omaly, tany Nosy Be, ny “ Nosy Be Symphonies” andiany faha-9. Teny […]

« Antanin’art enina » : anjaran’ny mpiangaly « Slam » indray izao

Tontosa omaly, teny amin’ny zaridainan’Antaninarenina, ny Slam Sauvage, tao anatin’ny “Antanin’art enina”. Hetsika ara-javakanto, tanterahina isaky ny alahady eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina. Ny Slam indray no nandravaka ny sehatra teny an-toerana, tamin’ny andron’ny omaly. Misokatra ho an’ny rehetra izy ity, natao hampiroboroboana ny zavakanto, indrindra ny literatiora am-bava, mahaliana ny tanora […]

Horonantsary fanadihadiana : misongadina aty Afrika i Felana Rajaonarivelo

Anisan’ireo Malagasy mpanatontosa sarimihetsika i Felana Rajaonarivelo. Niantoka izany fisongadinany izany ny horonantsary fanadihadiana “Debout!”. Handray anjara amin’ny “11 ème Emergence Film Festival” ao Lomé, Togo, tanterahina ny volana novambra izao, i Felana Rajaonarivelo, Malagasy mpanatontosa sarimihetsika sy mpaka saripika. Amin’ny alalan’ilay horonantsary fanadihadiana notontosainy, nampitondrainy ny lohateny hoe “Debout!” […]

TARATRY ny KANTO

Misaona ny tontolon’ny hiragasy. Nodi­mandry i Felix Ranaivoarison, mpamoron-kiran’ny tarika Ramilison Besigara. Fantatra fa sady mpikabary no mpandihy ihany koa izy. Marihina fa efa tsy salama tao anatina fotoana naharitra izy, noho ny fahatapahana lalan-dra. Anisan’ny niavaka tamin’ny famoronan-kira i Fely, satria, miainga amin’ny zava-misy hatrany izy rehefa mamorona. Mahatafita […]