kolon-tsaina

“Nosy Be Symphonies” : miditra amin’ny andiany fahasivy

Fanararaotra ho an’ireo mpiangaly ny mozika milamindamina eto Madagasikara ny hetsika sahala amin’itony, ahafahana mivelatra sy mampitombo ny traikefa sy fahaiza-manao. Tanterahina any Nosy Be, nanomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy ny 1 septambra 2024, ny “Nosy Be Symphonies, Festival de musi­que classique de l’Océan In­dien”, andiany fahasivy. Hetsika […]

Taranja Parkour: Kolontsain’ny lalana, hitaizana saina

Nanomboka ny 28 aogositra teo hatramin’ny 1 septambra izao, eto Antananarivo, ny « Festival Alefa parkour », andiany fahatelo. Kolontsain’ ny lalana iray ahafahana miala ny sakana rehetra eny anivon’ ny fiarahamonina. Kolontsaina sy fanatanjahantena izy amin’ ny ankapobeny. Sady fanatanjahantena feno no mamola­vola ny saina. Tombony maro no azo, toy ny […]

Tsiry Rajaonarison: mamokatra hira amin’ny tenim-paritra maro

Manana ny mampiavaka azy amin’ny hafa! Mpanakanto tia ny teny malagasy Rajao­narison Harinjaka Tsiry na i Tsiry. Miezaka manome vokatra amin’ny tenim-paritra samihafa ny tenany. Ny alahady lasa teo, tao anaty tambajotran-tserasera, namoaka ny hira mitondra ny lohateny hoe “Nge Tia” ity tovolahy misehatra amin’ny tontolon’ny hira ity. Ahitana tenim-paritra […]

Satria very ny fototra…: Simban’ny resa-pinoana ny Malagasy

Tao anatin’ny andro maromaro, nafana ny fanehoan-kevitra momba ny finoana. Tao ny nanome tsiny. Nisy ny variana sy gaga. Tsy vitsy ny nanidy ny vazany. Ireo zatra mampiady tarehimarika, nanao izany avy hatrany. Nitranga ireny, satria, very fototra ny Malagasy ! Nifanaretsaka ny fantsy ! «… mpangoron-karena » ! « Olona badraodra mora ambakaina » !… « Mahantra […]

TARATRY ny KANTO

Manome tolotra tetikasa ho an’izay vonona ny Goethe-Zentrum/Cercle Germano-Malagasy. Natokana ho an’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny «slam» izy ity. Mitady mpiara-miasa amin’ny fanatontosana fifaninanam-pirenena ho an’ny «slam» ny Cercle Germano-Malagasy. Mpikarakara hetsika, na fikambanana efa nanao izany, ka manana traikefa 5 taona no entanina handray anjara. Ho any Mahajanga hanatanteraka […]