kolon-tsaina

«Festival Temps Fort Danse» : tanjona ny hampiroboroboana ny soradihy

Nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy, omaly, ny «Festival Temps Fort Danse», andiany faharoa. Hetsika natao hampiraisana ny tontolon’ny dihy eto Madagasikara izy ity, karakarain’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely sy ireo mpisehatra eo amin’ny dihy eto an-toerana. Fifanina­nana, atrikasa, fifampizarana traikefa sy fahaiza-manao no handravaka ny fotoana rehetra. Ankoatra ireo, […]

Madagascar Mozarteum : hanolotra ny «Soirée classique» i Ilo Rakoto

Miresaka avy hatrany ny piano… Ny hakingan’ny rantsan-tanan’i Ilo Rakoto no miteraka izany. Na feon-kira vahiny, na malagasy, mahasarika ny sofina avokoa ny itendreny azy. Haneho io talentany miavaka io, tsy ho ela, ho an’ny olon-drehetra izy. Tanora andrarezin’ny fitendrena piano. Ilo Rakoto, mpianatry ny «École Normale de Musique de […]

Tarika AmbondronA : manome ny kanto ho an’ny mpankafy

Mazava ny fitetezam-paritra “Tour 2024” ataon’ny tarika AmbondronA, amin’ity taona ity. Hihaona amin’ny mpankafy azy ny tarika amin’ny 29 septambra ho avy izao, eny amin’ny Coliseum Antsonjombe, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Manohana ny hetsika ny orinasa Airtel Madagasikara, amin’ny maha ambasadaoro ny AmbondronA ity orinasa ity. Aorian’ny fotoana, hitohy […]

TARATRY ny KANTO

“Festival Alefa Parkour”, andiany fahatelo. Tan­terahina anio hatramin’ny 8 septambra izao, etsy amin’ny Gymnase Ankoay Ankorondrano. Hetsika ara-kolontsaina mifangaro ara-panatanjahantena karakarain’ny fikambanana Traceur Gasy. Natao hanasongadinana ny fahatokisan-tena sy ny fahaiza-mamorona ary ny fanajana ny hafa. Ahitana fandefasana horonantsary mahakasika ny lohahevitra “parkour”, fampirantiana sy fanofanana momba izany ihany koa. […]