Niavaka tamin’ireo fitetezam-paritra nataon’ireo mpilalao tantara amin’ny onjampeo, Iray Fy’Art, ny seho notanterahina tao Moramanga, ny alahady teo. Marobe ireo mpankafy tsy tafiditra. Sendran’ny tsy azo anoarana sy ny tsy nampoizina. “Tena feno hipoka sy efa mitsangana daholo ireo mpijery tonga ato amin’ny Tranoben’ny kolontsaina eto Ambohibary. Mbola milahatra lavabe […]
kolon-tsaina
Sarimihetsika malagasy: mitohy ny « Kino Eleber »
Tanterahina anio, eny amin’ny Cercle Germano Malagasy (CGM) Analakely, ny « Kino Eleber ». Hetsika ara-javakanto natao ho an’ireo mpankafy sarimihetsika, karakarain’ny sampana misehatra eo anivon’ny sarimihetsika ao amin’ny CGM, anatin’ny tetikasa « Madafilmlab ». Fandefasana sarimihetsika, arahina tafa sy dinika momba ilay sarimihetsika no handrafitra ny fandaharam-potoanan’ny « Kino Eleber », anio. Ankoatra ny fampivelarana […]
Namela zava-tsarobidy ny razana: hampiranty ny « Lovan-draza » i HeryZo Ralaindimby
Manan-karena i Madagasikara. Manana tontolo iainana mahavariana. Manana kolontsaina tsy manam-paharoa, sns. Nolovain’ny Malagasy avy amin’ny razany avokoa ireny. Haneho ny maha sarobidy izany i HeryZo Ralaindimby. Hanomboka ny zoma 30 aogositra izao, tsy hifarana raha tsy ny 28 septambra. Fampirantiana hotanterahin’i HeryZo Ralaindimby, eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Ranty nampitondraina […]
TARATRY ny KANTO
Tsy mety mifankazatra ny mpisehatra anaty rohim-boky. Hatramin’izao, miha mitombo an-dalana aza. Sady mpanoratra no mpanonta, no mpivaro-boky, sns, ny olona iray. Satria, mbola maro no tsy mahafantatra ny tena fitsinjarana asa ao anatina rohim-boky iray. Miteraka tahotra sy ahiahy izany, hany ka voatery misahana asa sy andraikitra maro ny […]
Antsahamanitra : hihira ny nampalaza azy ny tarika Tselatra
Hanapoaka! Hanao fampisehoana goavana ny tarika Tselatra, miangaly ny gadona Rock sy Heavy metal, etsy Antsahamanitra, ny alahady 8 septambra 2024 ho avy izao. Nilaza i Eric, mpihira sady filohan’ny tarika, fa hiavaka tanteraka miohatra ny hatramin’izay ity seho ity, satria hatao daholo ny hira rehetra nampalaza sy tena nahafantaran’ny […]




