kolon-tsaina

Zavakanto malagasy : miezaka miarina ny teatra malagasy

Zary zava-misy iainan’ny zavakanto amin’ny ankapobeny, noho ny fanatontoloana sy ny fivoaran’ny haitao ara-kajy mirindra ny fahaverezana. Fanabeazana feno anefa ny zavakanto ka tokony hampifanarahina amin’ny fivoarana ho tombotsoan’ny taranaka. Zavakanto anisan’ny very hasina teto Mada­ga­si­kara ny tontolon’ny teatra. Maro ny antony nahatonga izany. Misy ny avy ao anatiny, izany […]

TARATRY ny KANTO

Fiantsana tononkalo tetsy amin’ny CGM. 15 tamin’ireo 20 mianadahy nandray anjara no tafakatra amin’ny dingana famaranana. Nahababo ny seho sy fiangalian’izy ireo ny tononkalo teny ambony sehatra ka antony nahatafakatra azy ireo. Fomba iray hampirisihina ny olon-drehetra ho tia sy hankafy ny tononkalo ny hetsika tahaka izao. Tanjona ny hanomezan-danja […]

Tarika Mage 4 sy i toky : nahafapo ny mpankafy ny seho voalohany

Tonga maro nanatrika ny seho natolotry ny tarika Mage 4 tetsy Mahamasina ireo mpankafy azy ireo hatramin’izay. Feno tanteraka ny Kian­jan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahatena Mahamasina, omaly. Fotoana nampisehoana sy nihiran’i Toky voalohany teo anatrehan’ireo mpankafy. Nampitondraina ny lohateny hoe : “Hatramin’ny farany”. “Nateraka ho ato amin’ny tarika Mage 4 ny […]

Rija Ramanantoanina : niavaka ny 35 taona an-tsehatra

Fandaharan-kira, nanome fahafaham-po ireo mpitia Rija Ramanantoanina. Ny tolotra nomena teny an-tsehatra, nanana endrika isan-karazany. Nahitana an’i Rija Ramanantoanina sy ireo mpanaraka azy amin’ny zavamaneno sy feo. Tao koa ny fampiaraham-peony tamin’ny antoko mpihira APL. Ny mpitendry zavamaneno, ireo andrarezina sy ny tanora manana ny maha izy azy no tafiaraka […]

Faradoboka faha-35 taonan’ny tarika Rebika: nanjakan’ny fifankatiavana ny tsiahy an-dRampal

Nafana ny fiarahana teo amin’ny tarika Rebika sy ny mpijery tetsy Antsahamanitra. Nifamatotra akaiky ireo mpijery sy ny teny an-tsehatra… Niboiboika ny fifankatiavana teo amin’ny roa tonta… Feno Antsahamanitra! Na­nakoako teny an-toerana, omaly, nandritra ny fampisehoana nanakatonana ny fankalazana ny faha-35 taonan’ny tarika Rebika, ireo hira nahafantarana sy nampalaza ity tarika […]