kolon-tsaina

« Zara Revy » : Vahinin’i Samoëla i Tselonina sy Ifanihy

« Efa sy sasany ». Midika izay fa anatin’ny fanamarihana ny 30 taona an-tsehatra amin’ity i Samöela. Mifanandrify amin’ny “Zara Revy” andiany fahefatra, izay hotontosaina rahampitso, etsy amin’ny Kianja Malacam izany. Tsy nanadino ireo zoky nitari-dalana azy tao anatin’izay anjoria izay, ka nanasa an’i Tselonina sy Ifanihy, i Samöela. Izy roa lahy […]

Mozean’ny saripika Anjohy: Homena sehatra ny rano sy ny tontolony

Miova lohahevitra ny fampirantiana eny amin’ny Mozean’ny saripika Anjohy. Miodidina ny rano sy ny toerana misy azy eo amin’ny fiarahamonina malagasy indray no hasongadina. Rano… Iray amin’ireo singa tsy azo ihodivirana mandrafitra ny fiainana. Singa mamono sy mamelona, manana ny toerany lehibe ao anatin’ny tontolo. Mitodika amin’izay lohahevitra “Rano” izay […]

« Woco Urban Vibes »: Ambohipihaonan’ny tanora

Hiditra amin’ny andiany fahatelo sahady. Nahitam-pahombiazana ka hiakatra lenta kokoa ilay hetsika « Woco Urban Vibes ». Hotontosaina ny sabotsy 5 avrily izao, ma­nomboka amin’ny 1 ora ity seho ity, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina. Ambohi­pihaonan’ny tanora, satria tanora avokoa na ny mpanakanto na ny mpankafy raha tarafina amin’ireo […]

«Taombaovao ara-pivavahana » : Nankalaza ny « Rosh hashanah » ny Hebreo notsrym

Volana « habib » midika ho « salohim-bary » ny fankalazana ny Taombaovao ho an’ny Hebreo. Fidiovana, fialana amin’ny fahazaran-dratsy mba hananana fiarahamonina mirindra sy tsara kokoa no tazana mandritra ny fankalazana ny « Rosh hashanah ». «Rosh hashanah» na ny Taombaovao ho an’ny Hebreo. Fo­toana hifamelan-keloka, hamitranam-pihavanana mba hananana fo madio hiatrehana ny taona vaovao […]

«Madagascar Film Festival » : Nampivondrona ireo mpisehatra amin’ny sarimihetsika

Hetsika namaky lay. Namelona indray ny firaisankina sy ny fanantenana mankany amin’ny hoavy mamiratra, teo amin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny sarimihetsika ilay hetsika “ISSM Awards – Madagascar film festival”. Jery todika. “Tratra ny tanjona, saingy maro ireo lesoka mila harenina”. Nahi­tsy sady nazava ny fehiny, avy amin’ny talen’ny Ivon’ny sarimihetsika sy […]