Fanehoan-kanto efa fanao maneran-tany, saingy anisan’ireo zava-baovao anatin’ny fanamarihana ny “Iray volan’ny sary hosodoko”, ny “Live Painting”. Notontosaina ny sabotsy teo ny voalohany, teny amin’ny Rovan’Ambohimanga. Samy naka zoro nampiaina ny aingam-panahiny ireo mpahay kanto nandray anjara. Avy hatrany dia fanehoana talenta mivantana no natao, amin’izay endrika hosodoko manavanana ny […]
kolon-tsaina
“Intelligence artificielle” : efa manana ny toerany eo amin’ ny famokarana horonantsary
Mivoatra manaraka ny haitao ara-kajy mirindra sy ny teknolojia ihany koa ny famokarana horonantsary. Izany indrindra no antom-pisian’ny velakevitra ho fampahafantarana ny “Intelligence artificielle”, tao anatin’ny hetsika “Madagascourt Film Festival”. Tontosa, omaly, teny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny valandresaka niresahana sy namelabelarana mahakasika ny « Intelligence artificielle » (IA) […]
Tetikasa Kanto Manabe : zavakanto mivelatra sy matihanina no tanjona
Anisan’ny singa iray ahafahana manabe sy mitaiza, indrindra ho an’ny ankizy sy tanora, ny zavakanto. Efa mivelatra amin’ny fikajiana ny tontolo iainana izany ankehitriny ho an’ny TKM. Tanterahina eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny fampirantiana asa kanto, nomanin’ny fikambanana Plum’art sy ny mpandray anjaran’ny tetikasa Kanto Manabe. Azo […]
“Mioty Fanahy” : Boky itambaran’i Zo-Maminirina sy Mampandriniaina Manitra
Tononkalo voafantina, sanganasan’ny mpanoratra roa manana ny maha izy azy, no mandrafitra ny “Mioty Fanahy”. Arahina velakevitra ny famoahana izany, rahampitso. «Ny asa soratra: Mioty Fanahy». Io no lohahevitra iompanan’ny velakevitra homanin’ny Faribolana Sandratra, hotontosaina rahampitso alarobia 10 jolay, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Hitarika […]
Ikala : niverina tamin’ny fitiavany…
Tian’izy ireo ny mozika rock. Tiany ihany koa ny misary adala eny an-tsehatra. Taona maro anefa no tsy nisy izany, ka tena fotoan-dehibe ny alin’ny sabotsy teo ho an-dry Ikala. Fotoana nahitana an-tsehatra indray an’i Ampelagie sy i Marie Jeanne, tetsy amin’ny Kudeta Urban Club. Nihamatotra? Niverina tamin’ny fitiavany taloha […]




