Manana ny lalao fanao ny Malagasy fahiny. Ny ankamaroany, saika notanterahina teo an-tokotanibe. Tsy hita intsony izany ankehitriny, raha tsy eo ny finiavan’ny vahiny ! Tafiditra tao anatin’ny fanabeazan’ny Malagasy ny taranany ny lalao. Vitsy raha oharina amin’ny lalao iombonana ny lalao samy irery. Ny ankamaroan’ireny lalao ireny rahateo, tsy […]
kolon-tsaina
“Moozik” : hoavin’ny tsenan’ny mozika malagasy
Mandeha tsikelikely eo ny fahazarana… Fa efa azo hanjifana ny hira malagasy ny rindram-baiko Moozik, ary natao ho takatry ny Malagasy ny sarany. Misokatra ny lalana ho an’ny tsenan’ny mozika eto an-toerana. Spotify, Deezer, Apple Music, sns. Rindram-baiko malaza maneran-tany, fanjifana ny mozika amin’ny alalan’ny internet ireo. Tsy latsa-danja amin’ireny […]
Akademia Malagasy : mampanao fifaninanana famoronan-dahatsoratra
Tafiditra ao anatin’ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Mampanao fifaninanana famoronana lahatsoratra ny Foibe momba ny teny an’ny Akademia Malagasy. « Ny teny malagasy, sompi-pahendrena », no lohahevitra. Mamorona lahatsoratra mitantara fohy ny niavian’ny anaran-tanàna roa na anarana olo-malaza roa na anaran-tanàna iray sy olo-malaza iray ny mpifaninana. Kajina ny tsipelina sy ny […]
MFF, andiany faha-19: handray anjara amin’ny hetsika i Sylvain Marc
Misy hatrany ny fanolorana zava-baovao ho an’ny mpanaraka ny hetsika. Anisan’izany ny fandraisan’i Sylvain Marc, izay manana ny lazany eo amin’ ny mozika sy ny horonantsary maneran-tany, anjara. Tanterahina ny 5 hatramin’ny 12 jolay 2024, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny « Madagascourt Film Festival » (MFF) andiany faha-19. […]
TARATRY ny KANTO
Nanomboka omaly hatramin’ny 31 jolay 2024, eny amin’ny AFT Andavamamba, ny fampirantiana haikanto plastika. Seho ranty mitondra ny lohateny hoe “Tantara fohy”. Ny Plum’art, fikambanana ivondronan’ireo mpiangaly hosodoko no mikarakara ny hetsika. Ireo mpanao hosodoko vao misandratra kosa no tena homena sehatra ao anatin’ izany. Tanterahina mandritra ity volana jolay […]




