kolon-tsaina

Fiangonana Anglikanina : hiavaka ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny Mpanentana

Tanterahina eny amin’ny Esca Antanimena, ny 21 jona 2024, ny «Messe Fiderana», hankalazana ny faha-20 taonan’ny Sampana Mpanentana, eo anivon’ny fiangonana Anglikanina Ava­ra­tranjoma. Hiavaka ity hetsika ity, araka ny nambaran’ny mpikarakara satria ity « Messe Fiderana » ity no lamesa malagasy faharoa, nosoratana amin’ny gadona malagasy. Tanjona ny hananana gadona tena malagasy, […]

TARATRY ny KANTO

Kiaka etsy amin’ny Piment Café Behoririka. “Hifandao indray” ny lohatenin’ity seho anio alina ity. Hifandao vetivety ny marimarina kokoa, satria hitodi-doha ho any ivelany indray i Johnny, iray amin’ireo mpikambana. Fotoana iarahana sy hanomezana fahafaham-po ireo mpankafy tsy afaka tamin’ireo seho nifanesy nataon’ny tarika Kiaka teo izany. “Generation 2000” – […]

«Festival international du film d’animation»: nisongadina ny horonantsarimiaina «Ala fady»

Tanterahina ao Annecy-France , nanomboka ny 11 jo­na 2024 hatramin’ny 15 jona 2024, ny “Festival Interna­tio­nal du Film d’animation”. Mpamokatra sy mpanatontosa horonantsarimiaina maro ma­neran-tany no mandray anjara amin’ity hetsika ity. Anisan’ izany ny horonantsarimiaina « Ala fady », an’i Maneza, izay Malagasy mpanatontosa. Efa an-taonany maro no nisian’ny hetsika. Ankoatra ny fampivoarana […]

“Angano sy Mozika”: endri-panabeazana manakaiky ny ankizy

Izay mora raisin’ny ankizy no mahomby indrindra. Tratra ny tanjona tamin’ny “Angano sy Mozika”, endri-panabeazana iray voizina mandritra ny “Kilonga milalao”, any Antsirabe. Nambara hatramin’izay fa ny angano no endri-panabeazana nitaizan’ny Ntaolo ny ankizy. Teo ihany koa ny hira sy mozika, izay nifandovana nandritra ny vanim-potoana maro nifanesy. Koa naninona […]