Marihina isaky ny 14 jona ny Andro iraisam-pirenana ho an’ny mpanome ra. Toy ny fanaony isan-taona, nitondra ny anjara birikiny ny orinasa Star, tamin’ny alalan’ny fanomezan’ny mpiasa ra an-tsitrapo. Teo ihany koa ny fizarana zava-pisotro mamy, ho an’ireo nanatontosa izany. Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny ”Centre regional de transfusion sanguine” eto […]
kolon-tsaina
“Inty aho hamalifaly” : hanome voninahitra an’i Noël Rakotoarivony i Kiady
Andrarezina iray teo amin’ny famoronan-kira. Rariny raha nanokana rakikira, ho fanomezam-boninahitra an’i Noël Rakotoarivony, i Kiady Anisan’ireo mpamoron-kira nametraka tantara i Noël Rakotoarivony. Mety tsy dia faheno ny anarany, saingy ny sanganasany kosa nohirain’ireo mpanakanto malaza toa an-dry Solo sy Bodo. Hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanomezam-boninahitra ity mpamoron-kira andrarezina […]
Amboaran-tononkalo: hamoaka boky i Dina Nivetsotiana TDE
“Ianao ho’aho hafa mihitsy”. Boky amboaran-tononkalo faharoa nosoratan’i Dina Nivetsotiana TDE, taorian’ny “Dinam-peniko” (2023). Boky 50 pejy mahery. Ahitana tara-kevitra maro, toy ny fitiavana an’i Neny, fankaherezana, fivavahana, ary ny fiainana andavanandro amin’ny akapobeny. Tianaharimalala Dina Elinah, izay nohafohezina tamin’ny hoe TDE no tena anarana nomen’ny ray aman-dreniny azy. Amin’ […]
Fetin’ny mozika: homen-danja ny fahasamihafana sy ny kolontsaina
Ankalazaina ny 21 sy 22 jona izao, eto Antananarivo, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mozika. Hiavaka ny fankalazana amin’ity taona ity satria mandritra ny roa andro sy amin’ny toerana roa samy hafa no hanaovana izany. Hotanterahina etsy amin’ ny Alliance francaise d’Antananarivo (AFT) Andavamamba ny andro voalohan’ny hetsika. Hatao eny […]
“Star Tour” Antananarivo : mpanakanto maro no hanafana ny Coliseum
Eny amin’ny Coliseum no hanatontosana ny “Star Tour” andiany faharoa amin’ity taona ity. Notsongaina manokana ireo mpanakanto hanafana izany. Mpanakanto heverina fa mamaly ny filan’ny mpankafy amin’izao fotoana. Ireo no notsongaina hanafana ny “Star Tour” eto Antananarivo, izay andiany faharoa amin’ny hetsika amin’ ity taona ity. Hotontosaina ny 21, 22 […]




