Jona, « Volan’ny teny malagasy ». Ny teny, tonga soratra. Ny soratra raiketina anaty boky. Ireo rehetra ireo, samy ahitana olana avokoa, raha ho an’i Madagasikara manokana. Tsy mba maro mpiteny loatra ny vaky boky izay efa mila omena aina vao mba tsy hitambotsim-pandry ity firenena ity! Raha misy kolontsaina sy zavakanto […]
kolon-tsaina
“Revy revy mody masoandro” II: ho tafaraka indray ry Mahaleo sy ry Lolo sy ny tariny
Tsy fitaka akory ny lohateny… Efa raikitra fa hotontosaina ny 28 jolay izao, ny “Revy revy mody masoandro” andiany faharoa. Eny amin’ny Parking CCI ivato ihany no hanaovana izany. Mbola hiverina hanafana ny fotoana i Samöela sy ny tarika Mahaleo, izay efa nanao tamin’ny andiany voalohany. Ho avy hanatevin-daharana azy […]
TARATRY ny KANTO
Hivahiny ao amin’ny “Sabotsy mifankahita” ny tarika Telofangady. Fandaharana manokana ao amin’ny fahitalavitra RTA izy ity, izay hanomezana sehatra ireo Malagasy mpanakanto sy ny sanganasany. Anjaran-dry Haja sy ny tariny indray ny mizara ny kantony sy ny mombamomba azy ny sabotsy izao, manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina. Hitohy […]
Fampivelarana ny kolontsaina : mila hamaroina ny fifaninanana zavakanto
Iray amin’ireo firenena manana kolontsaina sy zavakanto mahaliana izao tontolo izao i Madagasikara. Tsy ampy trandraka anefa izy ireny. Mila mikaroka paikady hoenti-manampy ny fivelaran’ny kolontsaina ny isan-tsehatra ! Any amin’ireo firenena ivelan’i Madagasikara, miraradraraka ny karazam-pifaninanana eo amin’ny tontolon’ny zavakanto. Anisan’izany ny soratra, ny sarimihetsika, ny hosodoko, ny dihy, […]
« Semaine de la BD » : mandray anjara ny «Pejy maizina» an’i Riri
Tanterahina eny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, nanomboka omaly hatramin’ny 8 jona 2024, ny fampirantiana iarahana amin’i Riri, Malagasy mpanao tantara an-tsary. « Pejy maizina », io no lohatenin’ny tantara an-tsary miranty eny amin’ny AFT Andavamamba. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny hetsika “Semaine de la Bande Dessinée” ity fampirantian’i Riri ity. […]




