“Revy Mahaleo” etsy amin’ny La Balançoire Alarobia. Taorian’ny tsodrano nomen’i Dama sy i Bekoto, daty maromaro avy hatrany no noraiketin-dry Taranaka. Hanomboka izany ny anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. Mazava loatra fa hiran’ny Mahaleo avokoa no hovelomin-dry zalahy taranaka ireto, mandritra izany. Faith etsy amin’ny No Comment Bar Isoraka. […]
kolon-tsaina
« Festival de la Cinéma de Madrid »: ahitana horonantsary malagasy mifaninana
Taratry ny fahaizan’ny Malagasy ny tontolon’ny horonantsary izao maha voafantina hiatrika hetsika iraisam-pirenena izao. Ity sehatra ity izay mitranga hatrany noho ny fampiroboroboana azy, tontosaina eto an-toerana. Anisan’ireo horonantsary fanadihadiana, handray anjara amin’ny « Festival de la Cinéma de Madrid », andiany faha-33, hatao any Madrid Espagne, ny 12 hatramin’ny 20 septambra […]
Boky «Feux, Fièvres, Forets»: ho tonga eto Madagasikara
Tanterahina ny 22 aogositra 2024, eny amin’ny trano fivarotam-boky Il était une fois Ankorondrano, ny fampahafantarana ny boky « Feux, Fièvres, Forets », nosoratan’i Marie Ranjanoro. Fiaraha-miasa eo amin’ity trano fivarotam-boky ity sy i Marie Ranjanoro no nanaovana izao hetsika izao. Tanjona ny hampahafantatra misimisy kokoa ny boky amin’ny mpankafy vaky boky, […]
Fitetezam-paritra 2025: mitady mpanakanto ny Alliance française
Hatramin’izao, mbola mandray anjara goavana amin’ny fampivelarana sy fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny zavakanto any amin’ireo firenena misy azy ny Alliance française. Iray amin’ireny ny eto Madagasikara… Manomana sahady ny taom-pampisehoana 2025 ny tambajotran’ ny Alliance française eto Madagasikara. Toy ny isan-taona, hisy indray amin’ity ny fihaikana ireo mpanakanto, maniry […]
TARATRY ny KANTO
Ny tolakandron’ny omaly vao nifarana ny « Festival Sômaroho”. Iny efa mahazatra ny mponin’i Nosy Be ihany, saingy ny nampiavaka azy tamin’ity, navelan’i Wawa ho an’i Fandrama indray izany. Tarika marobe no nifandimby an-tsehatra tao amin’ny kianjan’Ambodivoanio, nandritra ny efatra alina nisesy. Nikatona ny alahady teo ihany koa ny “Festival Sobahya”, […]





