Rehefa mety ho zavakanto, saika very fangitra avokoa. Na, mety ho sarotra aza ny mahita ny madio ranoiray, azo antoka fa misy maro ny zavakanto manaja ny soatoavina malagasy. Endrika ivelany miharo fakan-tahaka be fahatany no hita matetika. Na, milaza ny mitondra zava-baovao, kanefa, nanao tery vay manta tamin’ny fampiarahana […]
kolon-tsaina
Mbola mahazaka sehatra: hitohy ny « Pao-tsatroka ho an’i Henri Ratsimbazafy »
Nakotrokotroka ny fankalazana ny faha-90 taonan’ i Henri Ratsimbazafy, tamin’ny taon-dasa. Ankoatra ny fotoam-pivavahana nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, nahatontosa seho vitsivitsy ihany koa izy. Tsy teto an-tanindrazana ihany fa nisy koa ny fihaonany tamin’ireo mpankafy tany Frantsa, ny volana oktobra lasa teo. Nambara tamin’izany fa iny no seho hataony farany any Frantsa. […]
« Festival Jazz Tohatohabato »: hanomboka anio, amin’ny alalan’ ny « Jazz Kids », ny hetsika
Miditra amin’ny andiany faha-13 ny hetsika « Festival Jazz Tohatohabato ». Samy hankafy sy hahazo anjara ny rehetra, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Ireo ankizy no hisantatra izany. Tanterahina anio, eny amin’ny Tranompokonolona Analakely, ny «Jazz Kids». Hetsika tafiditra ao anatin’ny «Festival Jazz Tohatohabato», andiany faha-13. Sehatra natao ho an’ireo ankizy […]
« Gourmand World Cookbook Awards » Misolo tena ny Malagasy ny boky «Haka fy tsiro»
Nampahafantarin’ny tomponandraikitry ny fifaninanana « Gourmand World Cookbook Awards », omaly, ireo boky voasokajy hiatrika ny fifaninanana amin’ity taona 2024 ity. Tafiditra ao anatin’izany ny boky nosoratan’i Henintsoa Moretti, Malagasy miangaly ny sehatry ny haify. « Haka fy tsiro » no lohatenin’ity boky ity, ahitana nahandro maro samihafa mampiavaka ny Malagasy. Ao anaty […]
« Goethe Talents 2024 »: voafidy handray anjara i Antsiva
Fandaharanasa iray hitilina ireo tanora mpanakanto manan-talenta ny “Goethe Talents”. Hihazo an’i Allemagne ireo notsongaina manokana, ka anisany i Antsiva Andriamasimanana, izay hisolotena an’i Madagasikara. Valin’ny asa sy ny ezaka. Samy nahatsapa avokoa ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny mozika, izay naharaka ny lalan’i Antsiva Andriamasimanana. Mendrika ho azy, araka izany, ny […]





