Sokajy telo no hifaninanana amin’ity taona ity. Entanina ireo mpanoratra, na efa fanta-daza na tsia, mba handray anjara amin’ny “Fifaninanam-pirenena ho an’ny literatiora” 2024. “Ady amin’ny fanolanana eto Madagasikara”. “Fandrindrana fiainam-pianakaviana”. Ireo ny lohahevitra iompanan’ny “Fifaninanam-pirenena ho an’ny literatiora”, amin’ity taona ity. Nivoaka omaly ny andinindinin’ny fifaninanana, raha toa ka […]
kolon-tsaina
Fi.Mpi.Ma – Volan’ny teny malagasy : nomena aina ny fomba, teny, kolontsaina
Ny faran’ny herinandro teo, tafiditra ao anatin’ny fanokafana ny hetsika ho fanamarihana ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Notanterahin’ny Fikambanan’ ny Mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma maneran-tany), teny amin’ny kianjan’Andohalo ilay hetsika lehibe namondronan’izy ireo ny fomba sy ny teny ary ny kolontsaina malagasy. Notsiahivina sy naverina ny kabary notontosain’ny mpanjaka Ranavalomanjaka, […]
TARATRY ny KANTO
Hamoaka boky « Kolontsaina sy Riba malagasy » Rabenandrasana Lalao François. Ankoatra ny maha mpanoratra azy, manome lanja lehibe ny fikarohana sy ny fandalinana momba ny kolontsaina malagasy i Nandrasana. Omena lanja amin’ny sanganasany ihany koa ny zaza sy ny ankizy hany ka boky maro ho fitaizana azy ireny no efa navoakany. « Dancing […]
« Zaza mifety » : nomena vahana ny atrikasa
Nosokafana ny sabotsy teo, tao amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely, ny fanokafana ny « Festival jeune public : Zaza mifety » andiany faharoa. Nomena vahana tamin’ity andro voalohany ity ny atrikasa. Anisan’izany ny fanamboarana fehin-tanana na « bracelet » amin’ny hoditra, niarahana tamin’i Lalaina Rakotoarinaivoson. Atrikasa ho fanatevenana ny fahaizan’ny zaza sy ny […]
Fifaninanana sary, andiany faharoa: nandrombaka ny voalohany Razafimbohitra David
Natolotra, ny sabotsy teo, ireo nahazo ny laharana efatra voalohany tamin’ny fifaninanana momba ny sary, andiany faharoa, « Ensemble pour le meilleur avenir ». Tetsy amin’ny Alliance Française d’Antananarivo Andavamamba no nanatontosana ny hetsika. Nahazo ny laharana voalohany tamin’izany Razafimbohitra Mahasetra David, mipetraka eto Antananarivo. “Nisafidy ny hanao ny sary ho mainty […]




