kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

LeManana ao amin’ny CGM Analakely. Fampisehoana miavaka izy ity, satria misy lohahevitra hovoizina ao anatin’izany. Eo ny zava-misy amin’izao fotoana eto Madagasikara, ny toeran’ny mozika nentim-paharazana manoloana ny fanatontoloana ary ny filana maika amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Hizara ireo mozikany mifanaraka amin’ireo lohahevitra ireo ry LeManana sy ny namany, […]

« Iray volan’ny teny malagasy » : hisy fifaninanana fahaiza-manoratra

Nosokafana, omaly, teny amin’ny Ivokolo Analakely ny fanamarihana ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Nandritra ny lahateny notanterahin-dRasata Rafaravavitafika, mi­nisitry ny Serasera sy ny kolontsaina mpisolo toerana no nahafantarana fa hisy ny fifaninanana fahaiza-manoratra teny malagasy amin’ity fankalazana ity. Tafiditra ao anatin’izany ny fanoratana tononkalo sy tantara foronina ary ny tantara […]

«Festival Sabotsibe » ao Mandritsara : manan-danja ara-toekarena sy ara-kolontsaina ny omby

Fototry ny fihariana ao Mandritsara ny omby. Manan-danja eo amin’ny kolontsaina ihany koa. Manandratra ireo no tanjona voalohany amin’ny « Festival Sabotsibe ». Anisan’ny tsena goavana indrindra eto Madagasi­kara ny « Sabotsibe » ao Mandritsara. Tsenan’omby lehibe faharoa, aorian’ Amba­lavao izy io. Araka ny anarany, tontosaina isaky ny sabotsy, indroa ao anatin’ny volana, izany […]

TARATRY ny KANTO

Ceasar Grill Soanierana – Sehatra ho an’ireo mpivoy ny mozika an-tanàn-dehibe. Hifandimby hanafana ny fotoana anio, manomboka amin’ny 7 ora alina ry MBL, Eklyps, Money Row ary Lyrikal Jill. Hanaraka ireto mpihira ireto i Diojay, hanafana ny elanelam-potoana. Efa mahazatra ireo tanora mpankafy ny mozika amin’izao fotoana ny toerana. Eusébia […]