kolon-tsaina

Fiarovana ny zon’ny mpamorona: vonona hanampy ho an’ny fanavaozana ny Omda ny Unesco

Nandroso sosonkevitra ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Unesco, amin’ny fanatsarana ny fitantanana sy fiarovanana ny zon’ny mpamorona. Toraka izany koa ny fikajiana ireo tahirin-kevitra tranainy. Tontosa omaly ilay fi­kaonandoha iraisam-pirenena handinihana ny fomba hitantanana ny aterineto sy ireo tambajotran-tserasera naterany mba hiantohana ny fahalalahana miteny sy hiarovana ny demokrasia, natao tany […]

Fomba amam-panao, tantara, kolontsaina… : misokatra ny revio nomerika « Tsanganafo »

Miavaka noho ny fahita hatramin’izay ! Raha ny fandraiketana anaty boky sy ny famoahana izany no nahafantarana an-dRanjatohery Harilala hatramin’izay, hi­ampy izany. Misokatra ny revio nomerika nampitondrainy ny anarana «Tsanga­na­fo». Nambarany fa : «ahitana lahatsoratra momba ny tantaran’i Madagasikara, ny fampahafantarana ity nosy ity, ny fomba amam-panao, ny kolontsaina, ny teny […]

Slam Poésie: hiantsehatra ny klioba Slamis

Hotanterahina ny asabotsy 25 febroary 2023, eny amin’ny Kinga, trano fisakafoana, eny Mahamasina ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Slamis. Vondrona iray miorina eo anivon’ny oniversite U-magis Masina Misely Ampa­ribe, miangaly ny Slam Poésie ny Slamis. Tanjona ny fampivondronana ny tanora mpianatra eo anivon’ity sekoly ity, tia sy mankafy Slam. […]

40 taona an-tsehatra: manomana seho eto an-tanindrazana i Mam’Rakoto

Iray amin’ireo mpikambana fototra tao amin’ny tarika Njila no tena nahafantarana azy… Nanana ny lalany manokana teo amin’ny mozika kosa i Mam’Ra­koto, na dia tsy nipetraka teto an-tanindrazana aza. Fantatra fa mandalo eto kosa izy, ary efa niaka-tsehatra nandritra ny lanonana tao amin’ny groupe éducatif Aceem, ny 10 febroary teo. […]

Haikanto Malagasy: hisy ny fampirantina ho an’i Razakaratrimo Zo

Hetsika goavana no atolotry ny Fondation H, ho an’ny mpanaraka azy, sy ny mpankafy haikanto Mala­gasy, indrindra ny tontolon’ny fanenomana. Hisy ny fampirantina lehibe karakarain’ity ivontoerana ity ho fanomezam-boninahitra sy fahatsiarovana ny mpahay kanto mpanenona, Razaka­ratrimo Zoarinivo na Ma­dame Zo. Eny amin’ny Ivon­toerana vaovaon’ny Fonda­tion H, eny Amba­tomena no hanatanterahina […]