kolon-tsaina

FILOHAN’ny Mpihiragasy: Ranaivonantenaina Tojo

Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny hiragasy Ampefiloha, ny fifidianana ny filohan’ny federasion’ny Mpihi­ra­gasy eto Madagasikara. Miisa 5 ireo nofidina: Ranai­vonantenaina Tojo ­(Am­ba­tonapoaka), Ratovoelison Jean Baptiste (Arivonimamo), Rabemanantsoa Valomanana (Fenoarivo), Florent Ran­driamarolafy (Manalalondo) ary Ramanankarivo Jean José (Sahondrafinina zanany). 109 ny mpifidy voasoratra anarana ka ny 107 tamin’ireo no tonga nandatsa-bato. Lany […]

Hiragasy goavambe – Vakisehatra 2024: hifanandrina ry Ratelson sy Rapaulson

Hisantarana ny fandaharam-potoanan’ny « Hiragasy goavambe » 2024. Ny alahady 3 marsa izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina, etsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina. Hifanandrina ny tarika mpihiragasy Ratelson avy any Andohavary sy Ra­paulson avy any Mandiavato. « Vakisehatra 2024 », anisan’ ny andrasan’ny olona maro, satria, tarika roa samy manana traikefa matanjaka eo amin’ny […]

Tsy fomba ny mandidy dia homana: mila omena lanja ny dinika amorom-patana

Manana ny avara-pianarana ny Malagasy. Tsy vitsy ihany koa ireo raiamandreny zokim-pahendrena… Nikaroka, nandalina, manana traikefa, mahafantatra ny mahasoa sy ny manimba. Hatramin’izao, tsy tazana loatra ny vokatra tsara azo avy amin’ireo rehetra ireo. Inona ny zava-misy marina ? Tao anatin’ny taona maro, potika ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy. Samy […]

Razanajatovo Raymond: « Samy hafa ny Taombaovao sy ny Alahamady »

Milaza ny heviny momba ny tokony hanavahana ny «Taom­baovao sy ny Alahamady» Razanajatovo Raymond (Pas­teur misotro ronono, mpanoratra, filohan’ny fikambanana Fa­mailahy). Araka ny fanazavana nomeny, fararano fanatanterahana santa-bokatra na santa-bary ny Alahamady». «Talo­han’ ny nahaterahan-dRalam­bo, efa nankalaza io tonon-taona io (santa-bokatra) ireo fanjakana maro madinidinika teto Imerina, Arivonimamo…», hoy Razanaja­tovo […]

“Tamberina sy tsiahy” : haverina manontolo ny hiran’i Jerôme Randria

“Tamberina satria hamerenana ny sanganasan’i Jerôme Randria. Tsiahy ho an-dRailôla koa anefa io”, hoy ny nambaran’i Thony Chriss. Mikasika ilay fampisehoana izay hotontosaina ny alahady 3 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny CCEsca Antani­mena io. Hiran’i Jerôme Randria zato sy isan-jato no hotontosain’ireto mpanakanto ireto, amin’io fotoana […]