kolon-tsaina

Nametraka be ho an’ny kolontsaina: nifindra tontolo ny Tsimitoviaminandriandehibe Xhi

Xhi sy M’aa. Anarana mitakosina amin’ny tantaran’ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy izany. Nifindra tontolo i Xhi, nodimandry ny alarobia lasa teo. Banga ny tontolon’ny kolon­tsaina. «Noho ny fihavanana dia mampan­dre anareo izahay fa niamboho ny Tsimitoviaminandriandehibe Rajao­fetra Guy », hoy ny fianakaviany.Toy ny vara-datsaka ny vaovao ho an’ny tontolon’ny zavakanto […]

« Redombe Bagasy » : hira 37 hokaloina eny an-tsehatra

Tao anatin’ny taona maro, tsy mbola nisy fampisehoana lehibe tahaka ity eo amin’ny tontolon’ny bagasy. Ampahany maneho izany ny isan’ny mpihira handray anjara. Ny fifantenana ireo hira hokaloina, sns. Mahalana vao ahitana hetsika lehibe natokana ho an’ny bagasy ra­noiray tahaka ity. «Redombe Bagasy», fampisehoana an-tsehatra hotontosaina ao amin’ny CCEsca Antanimena, […]

TARATRY ny KANTO

Jimmy Harrison amin’ny ilay nahafantarana azy. Anjaran’ity mpanakanto mpanafana lanonana isan-karazany ity no mampiala voly etsy amin’ny Piment Café Behoririka, anio alina. Tsy misy tsy mihaiky ny talentany amin’ny famerenana hira vahiny sy malagasy, ary vao avy nihodina tany Frantsa niaraka tamin’ny tarika Gasy Band izy. Hihaona manokana amin’ireo mpankafy […]