« Friday vibes », zoma mahafinaritra … Hiaka-tsehatra haneho ny mozikany i Kim Jah, izay hotanterahina etsy amin’ny Santilo Anosizato, rahampitso zoma 2 desambra izao, manomboka amin’ny 6 ora hariva. Eo ihany koa ny « ambiance clubbing » miaraka amin’ilay DJ manana ny maha izy azy, i Natoo, izay efa za-draharaha amin’ny tontolon’ny fampandihizana […]
kolon-tsaina
Hifarana ny zoma ny fifaninanana : miakatra ny lentan’ny Slam malagasy
Nihatsara ny fifaninanana tamin’ity taona ity raha oharina amin’ny andiany teo aloha. “Nihena ny mpandray anjara, saingy manomboka mahafehy sy mahay “Slam” ny tanora malagasy raha ny tamin’ity andiany ity”, hoy i Tajero, mpiangaly “Slam”. Mitombo hatrany ny fankafizan’ny Malagasy, indrindra ny tanora ity zavakanto iray ity. Taratra izany nandritra […]
Antsahamanitra: hiaka-tsehatra indray ry Kaiamba
“Tsiahy Kaiamba”. Io no lohatenin’ny fampisehoana, izay hotontosain’ireo mpanakanto maro mivondrona anatin’ny “Kaiamba”, ny alahady 4 septambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy Antsahamanitra. Hifampizara ny sehatra mandritra izany ry Jackie Edmée, Jean Kely sy Basth, Christine Egeba est, Prosh’Ely, Charles martin, Zôzô Mananjary, Raymond, Julien raminia, Coco Tavaratra […]
Antoko mpihira Orimbato – « Ny Mpanjakako »: Hosokafana amin’ny « Antsa Noely » ny jobily faha-50 taona
15 Martsa 1973, niorina ny antoko mpihira Orimbato ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. « Antsa Noely », efa fanao isan-taona. Hifanindran-dalana izany amin’ny alahady izao. Dimampolo taona niorenana. Hanokatra ny jaobily volamenany ao amin’ny fiangonana FJKM Tranovato Ambatonakanga ny antoko mpihira Orimbato, ny alahady 4 desambra izao. Amin’io andro io ihany koa […]
Kolontsaina: hitombo isa ny mpampianatra valiha
Rehefa nandalo dingana telo, hamoaka mpampianatra valiha ny Valiha Académie na ilay foibe fikarohana sy fampianarana momba ny zavamaneno eo ambany fiahian’ny Zanabaliha. Fantatra fa tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny dingana sy fanatrarana ny tanjona fampivelarana ny kolontsaina malagasy sahanin’ity foibe ity izao famoahana mpampianatra valiha izao. « Naharitra 3 taona […]