kolon-tsaina

Ho an’ny tenim-pirenena : hanao « Antsa tononkira » ny Havàtsa-Upem

Hiavaka tsy tahaka ny nisy teo aloha! 21 febroary, « An­dro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny » (natao dikan-teny malalaka). Hanatanteraka « An­tsa tononkira », ao amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha (Efitranon’ny kolontsaina) ny Fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy, Havà­tsa-Upem. Hovelomin-dry za­reo an-tsehatra ireo tononkalo nosoratan’ny mpikambana Havàtsa-Upem. Hanana en­dri­ka miavaka io « Antsa tononkira » hotanterahina […]

Ripo andiany fahadimy : misolo tena antsika Rabearivelo Dina

Nisokatra nanomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy ny 18 febroary 2024, ny “Rencontres internationales des peintures de Ouagadougou (Ripo) andiany fahadimy. Hetsika iraisam-pirenena eo amin’ny hosodoko, karakarain’ny Associa­tion pour la promotion des arts plastiques (APAP). Mpahay kanto miangaly ny hosodoko miisa 40 avy amin’ny lafivalon’ny tany no mandray anjara […]

“Reko Tour 2024” : hiara-dalana ny fampisehoana sy ny fanabeazana

“Hafa mihitsy”, araka ny hirany ity tarika iray ity… Miezaka tsikelikely amin’ny herin’ny tenany, mitondra ny anjara birikiny ho an’ny fiarahamonina ary manana fijery lavitra… hozarainy mandritra ny “Reko Tour 2024”. 5 taona izay… 5 taona nizarana ny mozikany ny Reko. 5 taona nametrahany ny tanjona ka nahitany ny lalan-kombana […]

Kabary malagasy : hankalaza ny faha-60 taonany ny Fimpima

Hosokafana amin’ny fom­ba ofisialy ny 15 Febroary ho avy izao ny ivon’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny fi­kambanan’ ny Mpikabary malagasy maneran-tany (Fimpi­ma). Hatao etsy amin’ny Lapan’ny Akademia Malagasy etsy Tsimbazaza ny lanonana. Hotolorana mari-boninahitry ny kanto avy amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (mpiahy ny hetsika), ireo mpikabary nahafeno fe­petra. […]

« Saint Valentin » : manan-tsafidy maro ireo mpifankatia

Herinandro ho an’ny mpifankatia. Satria tsy rahampitso fotsiny fa hatramin’ny alahady dia hisy hetsika maro hanamarihina ny « Saint Valentin ». Manan-tsafidy amin’ny endriny sy ny karazany izay hankalaza izany. Tsy hiverenantsika ny nahalasa ho fetin’ny mpifankatia ny « Saint Valentin ». Fa ny iraisana maneran-tany aloha dia natokana ho azy ireo ny andron’ny 14 feroary. Nianjera ho […]