kolon-tsaina

« Mifampitantana 2024 »: manome fotoana ny mpankafy indray i Bodo sy i Poopy

Tany amin’ny 15 taona lasa no nivoaka ilay tamba-kira malaza nataon’i Bodo sy i Poopy. Nanomboka teo, lasa fampisehoana anisan’ny be mpiandry indrindra ny fiarahan’izy ireo. Ho avy ny manaraka. Ity angamba ny fampiaraham-peo be mpankafy in­drindra… Ary mbola miandry hatrany ireo mpankafy, ka manome fotoana azy ireo indray i […]

Fivoriana an-tampon’ny Unesco: hampidirina anaty rafi-pampianarana ny kolontsaina

Hisy ny sehatra maneran-tany vaovao, hanamafisana ny fanabeazana ara-kolontsaina sy ara-javakanto. Amin’ny alalan’ny fampidirana izany ho ao anatin’io politika sy rafi-pampianarana io. Anisan’ny tapaka nandritra ny fivoriana an-tampon’ny Unesco, mom­ba ny fa­nabeaza­na ara-kolon­tsaina sy ara-javakanto natao tany Abu Dhabi, Emirats Arabes Unis, ny 14 sy ny 15 febroary teo io. […]

Slamour 2024: azon’i Mitsinjo ny laharana voalohany

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny hetsika famaranana « Festival des Livres Romantiques ». Nama­rana­na izany ny seho hatsikana niarahana tamin’ny Rire délire sy ny fifaninanana Slamour 2024. Nandrombaka ny fifaninanana i Mitsinjo. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, ezahina hatrany ny hanamaro ny hetsika sahala amin’izao […]

Taombaovao malagasy: nahitana marimaritra iraisana ny fankalazana

Niteraka resabe tao anatin’ny fotoana lava ny mahakasika ny fankalazana ny taombaovao malagasy. Nisy ny dinika sy ny fifampiresahana, araka ny nambaran’ny Printsesy Ratsimamanga Ralandison Fenosoa, mba hahafahana mahazo ny marimaritra iraisana. Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety teny amin’ny Rovan’i Madagasikara ireo Olobe sy mpitana ny soatoavina sy ny […]

Mpihira, mpitendry gitara beso : manohy ny lalana nosoritany i Tasha

“Ho lasa lavitra ity tovovavy ity…” Teny nivoaka tamin’ny vavan’ny mpankafy mozika iray, nijery ny sehon’ny tarika Naday indray andro io. I Tasha Randrianarilalaina ilay tovovavy. Izy no mpitendry gitara beson’ny tarika tamin’izany. Efa nanoritra ny lalany ity mpanakanto ity, taorian’ny fiarahany tamin’ny Vooots Kongregation izay tarihin-dry Rolf sy ny […]