kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

Hisy sampan’ny Iarivo Art & Academy eny Antaninarenina. Sampana faharoa, ankoatra ny foibe eny Ampandrana izy ity. Hisokatra voalohany ny 8 mey izao izany toeram-pampianarana mozika izany. Fampiana­rana karazan-javamaneno, toy ny piano, gitara, gitara beso, lokanga, valiha, sns, no ao izay hosahanina mpampianatra matihanina. Anisan’ny hankalaza ny andro iraisam-pirenena ho […]

« Projet Ressources Educatives » : mitohy ny famoahana ny boky tohanan’ny tetikasa

Nitohy ny famoahana boky ao anatin’ny “Projet Ressour­ces Educatives de l’IFM”. Teny amin’ny Trano fivarotam-boky “Tsipika” Ambohija­tovo sy tany amin’ny “Fakra” Toamasina no nandray izany hetsika izany, omaly. Ny boky « Ny hafatr’ireo tavoahangy plastika », « Ariela sy Arialy » ary « Zaridainakeliko » no na­voaka nandritra izany. Ankizy mpianatra, Ray aman-dreny, mpampianatra, mpanoratra ary […]

Madajazzcar 35 taona : raikitra ny « Interna­tional Jazz Day »

Tafiditra ao anatin’ny fampivelarana ny jazz sy ny faha-35 taonan’ny hetsika “Madajazzcar”. Hotanterahina eto Anta­nanarivo ny 30 avrily sy any Antsirabe ny 1 mey izao ny fanamarihana ny « International Jazz Day ». Ho an’Antananarivo, ao amin’ny Le Point d’exclamation Louange Bar Analakely no hanatontosana ny seho, izay hizara roa. Fizarana voalohany, […]

Sarotra resena ny hosoka: 2 000 Ar dia mahazo boky amin’ny endriny PDF

Mahakivy ! Tsy ny tontolon’ny mozika irery no misedra olana amin’ny piraty, indrindra amin’izao firoboroboan’ny teknolojia izao. Sedra lehibe atrehin’ny rohim-boky koa ny fivarotana amin’ny endriny niomerika, izay mahazo vahana ankehitriny. Nahavelom-bolo ny fahamaroan’ny mpankafy boky, tonga nitsidika ireo tranoheva nandritra ny hetsika « Tokotany be », teny Mahamasina ny faran’ny herinandro teo. Tsapa […]

TARATRY ny KANTO

Hiandraikitra vonjimaika ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, Rafaravavitafika Rasata, minisitry ny Raharaham-bahiny. Tontosa omaly, tao amin’ny efittrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny fifamindram-pahefana teo aminy sy ny minisitra Andriamananoro Augustin. Ito farany izay nametra-pialana noho izy ho kandidà solombavambahoaka. Nivoaka ny faran’ny herinandro teo ny “Tranga”, rakikira fahatelon’i Lemanana. Mirakitra hira […]