kolon-tsaina

Namarana ny fankalazana ny faha-120 taona : nahazo mpikambana vaovao ny Akademia Malagasy

“Akademia Malagasy: se­hatra avo lenta ifampizarana amin’ny rehetra ny fahalalana an’i Madagasikara sy ny Malagasy”. Teny filamatra nosafidin’ireo mpikambana mahefa, nitondrana ny fanamarihana ny faha 120 taona io. . Nofaranana tamin’ny la­no­nana, izay nandraisana ireo mpikambana vaovao izany, tetsy amin’ny foibe etsy Tsimbazaza, omaly. 2 no no­raisina ho mpikambana mahefa. […]

Famoahana boky: nanolotra ny « Vorona ô! Le messager” i Edith Barijaona

Notontosaina omaly ny lanonam-panolorana ny boky nosoratan’i Barijaona Edith, zanak’i Barijaona sy O’Suzah, sy ny fanolorana mari-boninahitra ho an-dRafidimalala Robert, mpanakanto. Natolotr’i Barijaona Edith, zanaka vavy fahatelon’i Bari­jao­na,mpanakanto sy O’Suzah vadiny , ny boky “Vorona ô! Le messager”, omaly. Nisy ny lanonam-panolorana ny boky teny amin’ny tranombokim-pirenena Anosy. Izay natrehin-dRamatoa […]

Kabary – Manda: nivoaka ny andia “Tafita”

Manomboka liana amin’ny resaka lahabolana am-bava ny tanora, ankehitriny. Tonto­sa ny alahady 27 novambra 2022 tetsy amin’ny Sehatra Maitso Analamahitsy ny lanonam-panandratana ny mpianatra ho mpikabary ny Andia “Tafita” nahitana ny sokajy mpiofana sy mpandalina teo anivon’ny fikambanana Man­da. Miisa 132 ny nasandratra ary tanora avokoa ny ankabeazany. Tsara ny […]

Sarimihetsika fohy: hizara ny “Le petit Piaf” i Gerard Jugnot

Mandalo eto Madagasika­ra i Gerard Jugnot, mpamokatra sy mpilalao sarimihetsika frantsay. Nisy ny valandresaka nataony tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Tana Water Front Ambodivona, oma­ly. Hizara sy hampahafantatra ilay sarimihetsika novokariny, “Le petit Piaf” izy, izay alefa ao amin’ny Cinepax Ambodivona, ny 27 desambra ho avy izao. Mitantara ny fiainana […]