Nankalazaina teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny Kagami Biraki, ny sabotsy lasa teo. Fankalazana izay efa fanaon’ny fianakaviamben’ny Judo, rehefa fiandohan’ny taona toy izao, ny Kagami Biraki. Kolontsain’ny Judokas niforona ny taona 1884 tamin’ny alalan’ny Shihan Jigoro Kano, ity fomba ity, izay tena mamaritra izany taranja Judo izany. “Tsy fifaninanana […]
kolon-tsaina
Basikety-“De la rue vers l’or” : hifantenana izay hanao ny “lalao Afrikanina”
Hatao ny 16 hatramin’ny 18 febroary izao, eny amin’ny ivontoerana Cnaps Vontovorona, ny dingana farany amin’ny tetikasa “De la rue vers l’or”. Tetikasa amin’ny alalan’ny fifaninanana basikety 3×3, karakarain’ny federasiona malagasin’ny basikety, miaraka amin’ny FIBA Afrika. Efa samy nahavita ny fifaninanana avy ny ankamaroan’ny ligim-paritra, misy kosa ireo izay mbola […]
DAKA AN-JORONY: azafady fa tsy misy toerana voatokana
Miavaka ary tena mahavariana ireo vahiny ny atleta malagasy. Amin’ny taranja rehetra manana ilay fahaizana voajanahary izy ireo. Tsy sarotra ny mampianatra sy mampita fahaizana aminy fa vetivety ihany dia efa tafampita izany, hany ka tsy ela ny fiotazana ny vokatra. Na izany aza, rehefa tonga eo amin’ilay tanjona ny […]
Lalao fanorona : mampandroso ary ifotoran’ny fiainan’ny Malagasy
Tontosa tetsy Ambohidratrimo, ny faran’ny herinandro teo ny “Festival fanorona”, andiany voalohany. Hetsika nokarakarain’i Souleman Mpikabary sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Tanjona ny hampivoatra sy hamelo-maso indray ny kolontsaina malagasy amin’ny alalan’ny fanorona. “Mifototra amin’ny fanorona avokoa ny foto-kevitra sy ny fiainanan’ny Malagasy rehetra”, hoy i Souleman Mpikabary, nandritra ny hetsika. […]
Fehezan-tononkalo: namoaka ny “Miaina fy tia” i Tsiaro
Tsy mandalo fotsiny amin’ny mpanoratra ny volana febroary, volan’ny mpifankatia… Namoaka ny boky “Miaina fy tia” i Tsiaro, ny faran’ny herinandro teo. « … Tononkalo voafantina manokana. Natao indrindra hanamarihina ny fetin’ny mpifankatia », raha ny fanazavany no voarakitra ao amin’ity boky vaovao mirakitra fehezan-tononkalo ity. « Miaina satria iainana amin’ny andavanandron’ny olombelona […]




