Mahitsy be ilay fomba filaza, saingy io no ahafahana maneho hevitra ao anatin’ny famakafakana tahaka izao. Ny Malagasy, manam-pahendrena. Ny Malagasy matahotra an’Andriamanitra. Ny Malagasy, tia miray hina sy mifanampy. Ny Malagasy, tia fihavanana. Ny Malagasy, … Marobe ny voalaza momba ny Malagasy. Saika momba ny kolontsaina avokoa izy ireny. […]
kolon-tsaina
“African Championship breaking”: nisongadina ireo mpandihy hip-hop malagasy
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ilay hetsika fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny dihy hip-hop. Tsy mena-mitaha ireo mpandihy malagasy nandray anjara, izay nametraka fa manana ny toerany ny hip-hop eto. Antony nanomezam-boninahitra ireo mpisehatra izany… Lasan’ny Malagasy avokoa ny laharana telo voalohany teo amin’ny sokajy “B –Girl”. Voalohany i […]
Antsa sy boky: niavaka ny seho “Rohin-kalo”
Nitondra ny “Rohin-kalo” an-tsehatra ry Hanitra olive, Nirihaja, Soambinintsoa. Notanterahina tetsy amin’ny CGM Analakely, ny asabotsy 26 novambra teo izany, nanomboka amin’ny telo ora tolakandro izany. Fahombiazana ny seho “Rohin-kalo”… Nahasarika mpankafy literatiora maro, ary niavaka ny rindran-tsehatra sy ny herim-panehoana tamin’ity fampisehoana ity. Ankoatra ny seho an-tsehatra dia nisy […]
Nizara ny “Beko & Blues” : mitana ny maha matihanina azy ny tarika Mikea
Hita taratra ny traikefa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Seho matihanina, tsy latsa-danja tamin’ny fanaon’ny tarika Mikea tany ivelany ny seho natolotr’i Théo Rakotovao sy ny tariny, omaly, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Nihoatra betsaka aza ny natolotra, noho ny fitia nifamaly teo amin’ireo teny an-tsehatra sy ny mpijery. Vitsivitsy no namaly […]
Tsy nahatohitra ny aretina… : nodimandry i Janga Ratah
Vaovao ratsy indray ho an’ny tontolon’ny zavakanto… Nodimandry ny asabotsy maraina teo i Janga Ratah. Efa herinandro maromaro no niady tamin’ny aretina ity mpanakanto ity, ary nanao antso avo mba hanaovana tolo-tanana izy tamin’ny herinandro lasa teo. Nihetsika tokoa ireo mpanakanto namany sy ireo mpankafy ary ny izay rehetra nahatsapa […]