Harenina haingana, saingy manara-penitra. Araka ny tapaka nandritra ny Filankevitry ny minisitra farany teo, hatao faran’izay haingana ny fanarenana ny tilikambon’ny fiangonana protestanta ao Anatirova. Tonga nitsirika ny fanombohan’izany asa maika izany ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, omaly, nomban’ireo solontenan’ny Andriana Merina. «Efa tazantsika manomboka io ny fanarenana […]
kolon-tsaina
« Tamatave Midera »: nanaka-danitra ny fiderana an-kira
«Tsy mbola nisy seho fiderana goavana toa ity teto Toamasina», hoy ny nambaran’ny mpanentana… mikasika ilay fampisehoana «Tamatave Midera”, notontosaina ny takarivan’ny alahady teo, ankalamanjana nanoloana ny Hôtel de Ville io. Nanomboka ny hetsika ireo fanentanana isan-karazany, narahin’ny soradihy nataon’ny Union mpandihy Tamatave. Nifandimby kosa taorian’izay ireo antoko mpihira avy […]
Fakafaka: Harena ny zanaka !
Manomboka mitsingilaila ankehitriny io fahendrena malagasy io raha atao indray mitopy maso ny rindram-piarahamonina misy ankehitriny. Tsy ny endrika ivelany isehoan’ny fitiavan-janaka no tsy ananan’ny Malagasy intsony fa ilay fametrahana ny zanaka ho harena mihitsy. Harena ve ka hatao tsinontsinona ? Tsy ny fanipatsipazana ireo haingitraingitry ny tanora ho an’ny […]
IFM Analakely: hahazo ny anjarany ny ankizy amin’ny hetsika “Zaza mifety”
Latsa-danja ny hetsika ho an’ny ankizy, indrindra ny lafiny koltoraly eto Madagasikara. Izany indrindra no hisian’izao hetsika izao hanatrarana ny vinan’ny IFM amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina. Hotontosaina ny 25 febroary 2023 hatramin’ny 4 marsa 2023 ny “Zaza mifety”. Hetsika karakarain’ny Institut Français de Madagascar na IFM eny Analakely iarahany miasa […]
“Taom-baovao”: hiavaka ny taona ho an’ny IFM
Notontosaina ny asabotsy 28 jaoary 2023, ny “Taom-baovao” ho an’ny fianakaviamben’ny IFM na Institut Français de Madagascar. Fotoana nifampirariana soa sy nanaovana jery todiky ny taona lasa. Fotoana nampahafantarana koa ny drafitr’asa kolotoralin’ity ivotoerana ity ho an’ny taona 2023. Tonga maro nanome voninahitra ny lanonana ny fianakaviamben’ny IFM isaky ny […]