Tarika anisan’ny manana ny maha izy azy, ary tsy lefin’ny taona ny Tana Gospel Choir. Tsy miova sy tsy miala amin’ny nijoroany sy naha izy azy ny tarika hatramin’izao. Tontosaina amin’ity taona 2024 ity ny hetsika maro entina hankalazana ny faha-20 taonan’ny Tana Gospel Choir na “TGC”. Amin’ny ankapobeny, eto […]
kolon-tsaina
« Cinem’Alliance »: Handravaka azy ny « Le Petit Bonhomme de riz »
« Le Petit Bonhomme de riz» an-dRandriamanantsoa Rianando Ludovic, Malagasy mpanatontosa sarimihetsika indray no ho hita mandritra ny hetsika « Cinem’Alliance », eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (Aft Andavamamba), anio. Hisy koa ny atrikasa sinema iarahana amin’i Tojonantenaina Annick. Nampitondraina ny lohateny hoe « Bouger la camera pour créer des histoires » izany. Misokatra […]
Zook Davids : Raikitra ny « EPP Tours » 2024
Mpanakanto anisan’ny sakaiza akaikin’ny ankizy sy ny tanora i Zook Davids. Tetikasa anisan’ny novolavolaina tamin’ iny taona 2023 nivalona iny ny hihaona mivantana amin’ireo kilonga sy tanora mianatra any amin’ny ambaratonga voalohany. Tsy mijanona ho fihaonana fotsiny fa hitondra fanabeazana ho an’ireny ankizy ireny, ho fanampiana sy fanatevenana ireo efa […]
Tahiana Rasolojaona : “Izay hira mendrika no voasokajy anatin’ny RDJ Mozika”
Fantatra avokoa ireo hira voatsonga isan-tsokajy. Nitondra fanazavana mahakasika izany sy ny “RDJ Mozika” amin’ny ankapobeny ny mpikarakara, omaly. “Arakaraky ny fivoaran’ny mozika ny sokajy hampidiranay ny hira. Miovaova isan-taona izany, ka izay no mampiovaova koa ny sokajy misy. Marihinay foana fa ireo dia hira sanganasan’ireo mpanakanto izay nateriny na […]
Mbola hiatrika fandidiana…: mitohy ny hetsika “Tolo-tanana ho an’i Mikakely”
Niatrika fandidiana fanintelony, omaly, i Mikakely. Araka ny nampitain’ny fianakaviana, voatery nampidirana fantsona teo amin’ny tendany. Sarotra ny fitsaboana ary mbola lavitra izany, raha ny fampitam-baovao, hatrany. Fantatra fa mbola hisy ny fampidirana azy ao amin’ny efitrano fandidiana aorian’izao, na dia nizotra soamantsara aza ireo teo aloha. Araka izany, mitohy […]




