Kalaza maneran-tany. Na efa taona maro aza ny nahalasanany, mbola mitoetra hatrany ny lazan’i Bob Marley. Azo antoka fa mbola hitombo izany, noho ilay horonantsary “Bob Marley: One Love”, izay notontosain’i Reinaldo Marcus Green tao amin’ny Paramount. Hivoaka voalohany ny 14 febroary izao izy ity, any Etazonia. Avy hatrany dia […]
kolon-tsaina
«Miss World Festival» : hiditra amin’ny andiany faha-71 ny fifaninanana
Efa samy vonona avokoa na ny mpifaninana hitondra avo ny voninahi-pireneny na ny mpikarakara isan-tsokajiny, na ny toerana handray ny fifaninanana. Antenaina ho hetsika tena mahafinaritra sy matihanina tanteraka izy ity, araka izany. Tanterahina ny 18 febroary 2024 hatramin’ny 9 marsa 2024, any New Delhi sy Mumbai, Inde, ny “Miss […]
Tana Gospel Choir: niavaka ny fahatsiarovana ny faha-20 taona
Tontosa omaly, teny amin’ ny Tranompokonolona Analakely, ny fampisehoana nanokafana ny faha-20 taonan’ny tarika Tana Gospel Choir (TGC). Fanokafana fotsiny moa iny fampisehoana iny fa ny 19 mey 2024 no fanokafana amin’ny fomba ofisialy izany. Araka ny nambaran-dRabearisoa Fidy, tomponandraikitry ny tarika, tao amin’ny Tranompokonolona Analakely no nanatanterahin’ny TGC ny […]
Tarika Anoka Ba Gasy: Tsara fanombohana ny taom-pampisehoana
Hipoka ny trano! Mbola mitoetra ny fitiavana ny ba gasy, raha tarafina amin’ny seho notontosain’ny tarika Anoka Ba Gasy, ny sabotsy tolakandro teo, tetsy amin’ny Karibotel Analakely. Nianoka tokoa ary tena nankafy ireo mpijery. Nitety vanim-potoana ry Ralanto, Mbola Talenta, Haja ary Beauzaka nandritra ny ora dimy be izao. Notsikafonin’ny […]
“Rdj Mozika”! Ceasar, mpanakanton’ny taona 2023
Fotoan-dehibe ho an’ny mpanakanto. Tontosa omaly ny “RDJ 2023”, nankasitrahana ny mpanakanto noho ny sanganasany izay nofidian’ny mpankafy ho mendrika. Nisongadina indrindra tamin’izany i Ceasar. “Iiiii… Na iza na iza maheno izay, dia mamaly ho azy hoe «Aaaa». Rariny loatra raha nahazo ny «Titre de l’année» tamin’ny «Rdj Mozika 2023», […]




