kolon-tsaina

CGM/GZ: hihaona ny mpitia Jazz

Mitohy ny hetsika fanaon’ny Jazz Club CGM/GZ isaky ny alahady fahatelo. Fihaonan’ireo mpitia jazz, eny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM Goethe-Zentrum) Anala­kely, ny alahady 18 febroary izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hanana endrika fifanakalozana eo amin’ny zoky sy zandry, fitsirihana ireo talenta vaovao ary fihaonana mivantana eo amin’ny samy mpitia […]

Tanora Masina Itaosy: hampahafantarina ny “Hafa ny taloha”, rakikira faha-10

Seho goavana hatrany. Sady fanolorana ilay rakikira vaovao, faha-10, tamin’izay notontosain’ny Tanora Masina Itaosy ny amin’ny alahady izao. “Ny tia dia…manolotra ny ainy ho an’ny sakaizany”. Izay an­dalana nalaina tamin’ny Soratra masina izay no lohahevitra hitondrana ny fampisehoana goavana, hotontosain’ ny Tanora Masina Itaosy. Hatao etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy […]

Tontolon’ny soratra: voafidy ireo hitondra ny Malagasy Manoratra

Nifarana tamin’ity volana febroary ity ny fe-potoana niasan’ny birao nasionaly ho an’ny fikambanana  Malagasy Manoratra, notarihin-dRakotoarimanana Sandanomena, filoha teo aloha. Niroso tamin’ny fanavaozana ny birao izy ireo. Voafidy ho eo amin’ny toeran’ny filoha nasionaly, ny alahady 4 febroary teo, i Njarasoa RA. Voatazona ho sekretera jeneraly i Nah Haja raha toa […]

Vakok’Arts Trano –Toliara : mizara ny traikefany Rajery

Efa any Toliara ry Rajery sy ny ekipany, nanombokany alatsinainy teo. Omaly talata, efa nitarika ny fihaonana amin’ireo mpanakanto any an-toerana, izay liana amin’ny mozika miaina ity andrarezin’ny valiha ity. Fizarana traikefa kokoa fa tsy fampianarana no nentin-dRajery. Maro ireo manan-talenta any Toliara, indrindra ireo mpanakanto mifanerasera ao amin’ny Vakok’Arts […]

« Nikon Festival 2024 » : mandray anjara ny sarimihetsiky Ranarison Andry

Anisan’ny fahombiazana sahady ho an’ny ity tanora malagasy mpanatontosa sarimihetsika ity ny nahavoafantina azy ho mpandray anjara amin’ny « Nikon Festival ». Mba hahafahany mandrombaka ny amboara, mila tosika sy tohana lehibe izy. Mitombo hatrany ny Ma­lagasy mpanatontosa sarimihetsika, miakatra amin’sehatra iraisam-pirenena. Ranarison Andry indray no mandray anjara amin’ny fifaninanana « Nikon Festi­val », […]