Nifarana ny faran’ny herinandro teo, tao La Reunion, ny « Festival international du film de l’Océan Indien » (Fifoi), andiany voalohany. Mpisehatra amin’ny sarimihetsika, avy eto Afrika sy ny ranomasimbe Indianina no nandray anjara tamin’izany ary nanana solontena i Madagasikara. Lasan’i Joash Omondi ny amboara teo amin’ny « Prix du Jury Jeunes 2024 », […]
kolon-tsaina
Notapahin-doha tany Maorisy… : niniana nohadinoana tanaty tantara ve Ratsitantanina?
202 taona omaly no nanapahan-doha ny Printsy Ratsitantanina… Tsy dia fandre rehefa miresaka ny tantaran’i Madagasikara, kanefa mipaka hatrany amin’ny tantaran’ireo nosy rahavavy ny momba azy. 15 avrily 1822 – 15 avrily 2024. Feno 202 taona omaly ny nanapahan-doha ny Printsy Ratsitantanina, tany amin’ny Nosy Maorisy. Nanamarika ny tantaran’i Madagasikara […]
TARATRY ny KANTO
Hotsaroana rahampitso ny faha-202 taona nahafatesan’ny Printsy Ratsintantanina. Hisy lanonana hiendrika fampahafantarana ny «tetikasan-kolontsaina marolafy Ratsintantanina», etsy amin’ny Havoria, ORTM Anosy, anio. Hisy velakevitra sy fampirantiana manomboka amin’ny 10 ora maraina, ka mpikaroka sy mpandalina maro, Malagasy sy vahiny, no hifarimbona amin’izany. Nidina tany Belo Tsiribihina, misy ny fianakavian’ny Ampanjaka […]
Bokim-panabeazana: miavaka ny «A quoi ça sert les filles ?»
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny trano fivarotam-boky “Milles feuilles» Behoririka, ny fampahafantarana ny boky «A quoi ça sert les filles ?» sy ny «La Virgule rebelle». Bokim-panabeazana izy ireto, anisan’ny nataon’ny mpanoratra hifanaraka amin’ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny zava-misy iainan’ ny ankizy sy ny mpianatra […]
“Conversations littéraires” : nahafa-po ny mpankafy ny hetsika
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny hetsika «Conversations littéraires”, niarahana tamin’i Mose Njo sy Dominique Ranaivoson. Ny mahakasika ny boky «Fa ho aiza ary izy ireo?» sy «Lisy mianjoria», izay nosoratan’ireto mpandray anjara ireto no noresahina tamin’izany. Mpianatra sy mpisehatra eo anivon’ny […]





