kolon-tsaina

IFM Analakely: hisy ny tafatafa iarahana amin-dRamanankavana Elie

Tanterahina anio, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM), Analakely, ao anatin’ny hetsika « Conversation litteraire », ny resadresaka arahina adihevitra iarahana amin-dRamanankavana Elie, Malagasy mpaka sary pika. Ny mahakasika ny boky « Jacques Rabemananjara, l’œuvre poétique » no resahina ao anatin’izany. Fotoana lehibe hifampizarana eo amin’ny samy mpahay kanto na dia samy […]

MSK: mitohy ny asa hanatrarana ny tanjona

Teren’ny fe-potoana napetraky ny Filoham-pirenena ireo mpikambana ao amin’ny governemanta dia ny 100 andro, taorian’ny nanendrena azy. Asa mivaingana ao anatin’ny fotoana fohy, araka izany, no takiana. Ho fanatanterahana izany, niroso tamin’ny fifampindram-pahefana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, omaly. Nandray ny toerany ny sekretera jeneraly vaovao, Rakotondrasoava […]

Anoka Ba Gasy: hamerina ireo hira tsy tontan’ny ela

“Hanina an’i Neny. Hira anisan’ny nampalaza ny fampiaraham-peon’i Barijaona sy O’Suzah izy ity. “Hira noforonin’ny anadahin-dreniko, Ran­dria Gervais, ny Hanina an’i Neny. Nampihiraina an-dry Barijaona izany, ary tena be mpankafy. Ankehitriny haverinay Anoka Ba Gasy indray ny hira”, hoy ny nambaran-dRalanto. Iray amin’ireo mpikambana mandrafitra ny tarika Anoka Ba Gasy. […]

“Ripo” andiany fahadimy: voafantina handray anjara Rabearivelo Dina

Fanararaotra, ahafahana maneho ny maha izy ny haikanto malagasy, indrindra ny azy manokana, ny fampirantiana iraisam-pirenena. Maro ny olona mifanerasera sy tonga miatrika io fotoana io amin’ny maha fihaonam-be iraisam-pirenena azy. Tanterahina ny 13 hatramin’ny 18 febroary 2024, any Ouagadougou Bur­kina Faso, ny Rencontres internationales des peinture de Ouagadougou (Ripo), […]