Taona 2019, natsangan-dRazafindralambo Tsilavina ny « La St’Art Project » misehatra amin’ny fikirakirana ny sary sy ny feo… Misandrahaka hatrany amin’ny fanaovana asa soa toy ny fizarana fanampiana (Sakafo masaka, akanjo…) ho an’ireo tena sahirana. «Tsy hijanona hatreo amin’ny famokarana rakitsary sy ny fikirakirana ny feo (fandraisam-peo) fa hanohy izany amin’ny fanatanterahana […]
kolon-tsaina
Hetsika taona 2024: 35 taona nihirana i Nônô Mananjara
Taona 1989, tao Ambondrona. Nanapa-kevitra i Mananjara Jean Bruno fa hirotsaka eo amin’ny tontolon’ny hira. Izany hoe, 35 taona katroka nihirana i Mananjara Jean Bruno. Amin’ity taona 2024 ity, homarihiny amina rindrankira roa sy «cabaret» miisa 4 io vanim-potoana io. Ny volana avrily sy novambra ny hanatanterahina ny rindrankira. Ny […]
Haikanto vita amin’ny teny: nisokatra omaly ny fankalazana ny faha-35 taonan’ny Faribolana Sandratra
Miezaka hatrany ny tomponandraikitra mikarakara hetsika sy mamolavola paikady entina mampiroborobo ny haikanto malagasy vita amin’ny teny. Manana anjara lehibe amin’ny fanabeazana sy fitaizana mantsy izy ity ka tokony hatao laharam-pahamehana. Tontosa, omaly tolakandro, teny amin’ny Efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny lanonam-panokafana ny fankalazana ny faha-35 taonan’ny Faribolana Sandratra. Nanotrona […]
Taona 2024: ahiana tsy hisy fivelarana ny zavakanto
Miankina amin-javatra lehibe maro ny fivelaran’ny kolontsaina eo amin’ny firenena iray. Raha tsy misy mpijery, ohatra, ny rindrankira eny an-tsehatra, tsy hahita fivelarana ny mpanakanto sy ny zavakanto ataony. Rehefa tsy manana ny fahefa-mividy hianarana kabary, ohatra, ny tanora, azo antoka fa tsy hanana olon-dehibe mahay kabary ny fiarahamonina. Manao […]
“RDJ Mozika 2023” : hisokatra ny faran’ny herinandro ny safidy
Homena mari-pankasitrahana ireo be mpankafy. Tsy mivaona amin’ny fanaony isan-taona ny onjam-peo RDJ amin’ ity. Ny voalohandohan’ny taona toa izao mantsy no fanomezana sehatra ireo mpihaino sy mpankafy, amin’ny fisafidianana izay mozika, mpanakanto, seho, sns, izay heverin’izy ireo ho mendrika, anatin’ilay hetsika “RDJ Mozika”. Hotontosaina ny alahady 4 febroary ho […]




