kolon-tsaina

Kianja Analamaitso: hankalazaina ny “Andron’ny kabary”

Ny 15 desambra 2021no nankatoavin’ny Komity iraisam-pirenena momba ny fifanarahan’ny Unesco sy fanoratana ny kabary Malagasy ho ao anaty lisitry ny “harentsaina tsy azo tsapain-tanana ho­an’ny zanak’olombelona” (Pa­trimoine culturel immateriel de l’humanité). Ny 15 janoary 2022 kosa no nambara tamin’ny fomba manetritrekitra izany, tao amin’ny lapan’Andafia­vara­tra. Nanomboka tamin’izay koa no […]

Fampivelarana kolontsaina: saba-droa lela ny firoboroboan’ ny fampianarana zavakanto

Vao sokafana ny tambanjotran-tserasera isan-karazany… Mipoitra marobe ny « misokatra ny sekoly fampianarana… Endrika maneho fa hivelatra ilay zavakanto. Tsy ampy anefa raha hatreo ihany no hijerena ny tranga tahaka itony ! Mitombo isa fatratra an­kehitriny ny fisokafan’ny sekoly na toeram-pampianarana zavakanto sy kolontsaina indrindra any amin’ny tanan-dehibe. Endrika maneho fa mivelatra […]

“Volana iray, mpanoratra iray”: hampahafantarina i Simeona Tsianenenana sy ny sanganasany

Toy ny isam-bolana, mampahafantatra mpanoratra iray sy ny sanganasany ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Nosafidiana hasongadina mandritra ny “Volana iray, mpanoratra iray” amin’ity janoary ity i Simeona Tsianenenana. Mpanoratra avy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, monina ao Toliara. Ankoatra ny fampahafantarana azy ao amin’ny pejy facebookn’ny minisitera, hisy ny […]

Fondation H: tanjona ny hampiroborobo ny sehatry ny zavakanto

Nisokatra ny 10 janoary 2023  ary tsy hifarana raha tsy ny 26 marsa 2023, ny fisoratana anarana ho an’ny fifaninanana “Prix Paritana” andiany fahafito. Fifaninanana karakarain’ny Fondation H, natokana ho an’ny mpanakanto malagasy  monina eto Madagasikara. “Tanjona ny hanasongadinana ny fifaninanana amin’ny famoronana zavakanto maneho ny ankehitriny sy  fanohanana izany“, […]