“Niroso amin’ny sehatry ny fihirana aho, noho ny fahatsapako fa mora kokoa ny mampita ny hafatra amin’ny alalan’ny hira, izay toy ny sakaiza akaikin’ireo tanora tokoa ankehitriny”, hoy Frère Jean de la Croix de la Trinite, Rafanomezantsoa (Frère Jean). Ny fivoizana hatrany ny maha zava-dehibe ny fitiavana sy ny halemem-panahy […]
kolon-tsaina
Andrianimerina Hobiana: « Tahaka ny olona tsy manana karapanondro ny boky tsy manana ISBN
Maro ny zava-mahaliana sy tokony ho fantatra momba ny rohim-boky. Iray amin’ireny ny « ISBN », izay zary ravaky ny boky fotsiny ho an’ny tsy mahalala. Araka ny fanazavan-dRazanajatovo Andrianimerina Hobiana, mpanoratra, kosa anefa, mametraka any amin’ny fenitra tokony harahina ny fisian’io soratra miendrika kisarisary io, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Dinika nifanaovana […]
Zoma faha-13 : fotoam-bita ho an’ i Silo sy ny mpankafy
Ny toerana no miova hatrany… Ireo mpankafy an’i Silo kosa tsy mila ampiomanina intsony fa efa mivonona hatrany hihaona amin’ity mpanakanto ity rehefa mitontona ny zoma faha-13-n’ny volana iray. Ho an’ny zoma izao, nisafidy ny CFM Anosy i Silo, manomboka amin’ny 8 ora alina sy 13 minitra. “Fihaonantsika, hifampiarahabantsika, amin’ny […]
Fitendrena gitara: mizara ny traikefany hatrany i Arnito Flamenca
Tontosa ny alarobia 11 janoary 2023, teny amin’ny Hotel GV INN eny Andrefan’Ambohijanahary ny lanonana famaranana ny “Masterclass International de guitare”. Hetsika nokarakarain’ny EGM Madagascar, isan’ny nizaran’i Arnito ny traikefa sy ny fahaiza-manaony ho an’ny mpitendry gitara malagasy. Nandritra ny 4 andro ny hetsika ary maimaimpoana ny fandraisana anjara tamin’izany. […]
Milatsaka ny orana : maina ny tsenan’ ny hiragasy
Ny orana avy, ny tany mando, fa ny hiragasy «maina ny tsena», hoy ry zareo mpanao azy ity. Tsy miverina indray ny fampisehoana eny ankalamanjana raha tsy any amin’ny maintany. Miova asa ny mpihiragasy (mpandihy, mpitsoka mozika, mpikabary…) iray manontolo. «Saika tantsaha ny ankamaroan’izy ireny ka miompana any amin’ny fambolena […]