Hetsika maro no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-75 taonan’ny “Alliance Française» eto Antananarivo, na ny AFT. Tontosa ny asabotsy teo kosa ny lanonam-pamaranana ny fankalazana, tetsy Andavamamba. Nanamarika indrindra ny lanonana ny fitokanana ny trano vaovao, izay tsangambaton’ny fankalazana rahateo. Trano vaovao lehibe, ahitana efitra fianarana miisa 9 , […]
kolon-tsaina
“Le mystère d’Arivonimamo”: handeha tsy ho ela ao amin’ny Cinepax
Efa an-taonany maro no nanititika ny mponina sy ny mpandalo ireo karazana «antennes» maro ao Arivonimamo… Miala kely ny tanànan’Antaboaka, eny amin’ny Pk 48 amin’ny lalam-pirenena voalohany ny marimarina kokoa. Betsaka ny resaka mandeha hatramin’izay ny mikasika ny asany sy ny ilana azy ireto. Misy ireo efa nitsaho fa mandefa […]
Hotronin’ireo taranaka…: mitohy ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Mahaleo
Efa nialoha lalana Raoul, Nono, Fafah, Dadah ary Charles . Mbola eo kosa i Dama sy i Bekoto, ary nahadingana ny 50 taona nisiany tamin’iny taona nivalona iny ny Mahaleo. Mitohy ny lalana sy ny fampisehoana miaraka amin’ieo taranaka… Be ny vita… Fa tsy mbola tapitra kosa ny fankalazana ny […]
Fitendrena gitara : raikitra ny « Masterclass »
Eny amin’ny ivontoerana fampianarana mozika «EGM-Conservatoire de musique» no anokafana ny hetsika «Masterclass International de Guitare». Ny asabotsy 7 janoary 2023, amin’ny 2 ora tolakandro no hanombohan’ny hetsika. Marihina fa voatokana ho an’ny mpianatra eo anivon’ity sekoly ity ihany ny hetsika, amin’io andro io. Ny mpianatra eo anivon’ny sekoly fampianarana […]
Jejy Music – Fampianarana: nodimandry Razakamahefa Hery
Iray amin’ireo nahavita be teo amin’ny tontolon’ny hira, Razakamahefa Hery. Tazana matetika teo amin’ny fandrindrana sy fitendrena ary fampianarana mozika izy. Nisy rahateo ny andian-javamaneno sy toerana fampianarana nametrahany ny dian-tanany… Lavo ny andrarezin’ny mozika ! Nodimandry ny 5 janoary teo Razakamahefa Hery. Iray amin’ireo mpikambana mpanorina ny Jejy Music, […]