kolon-tsaina

Nitaraina ireo mpijery…: nisy lesoka ny teo amin’ny fikarakarana ny « Festival Zaza Rap Taiza »

Tokony ho hetsika lehibe nentina nampiakarana avo ny rap ny “festival Zaza Rap Taiza”. Tsy tratra anefa ny tanjona noho ny tsy fahatomombanana teo amin’ny fikarakarana ankapobeny… Soa fa nanome ny tsara ireo mpanakanto malagasy sy vahiny. Tontosa ny 8 hatramin’ny 10 desambra 2022, ny hetsika “Festival Zaza Rap Taiza”, […]

Concert de midi: hisantatra ny seho Krismasy ny Hiraitra

Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny kaonseritra klasika karakarain’ny Madagascar Mozarteum. Ha­natanteraka seho lehibe, etsy amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely ny « Ensemble vocal Hirai­tra ». Fampisehoana hotontosaina ny 20 desambra izao, manomboka 1 ora tolakandro, hitondran’izy ireo eny an-tsehatra ny « International Carol suites » narindran’i Mark Hayes. Antsa hanehoan’ny Hiraitra iny fiderana […]