“Bahoejy, adiresy tsy miova”, hoy ny tononkiran’i Tianjama izay. Tsy hadinon’ny rehetra ka nomena trano fonenana, ho fankasitrahana ny zava-bitany ho an’ny zavakanto i Bahoejy. Eny, olombelona tokoa ilay hoe Bahoejy! Maro ireo tsy nahalala izany, kanefa mahafantatra tsara kosa ny dihy sy ny gadona bahoejy. I Bahoejy no namorona […]
kolon-tsaina
Fakafaka: Harena ny fahasamihafana !
Raha hain’ny Malagasy ny milomano ao anatin’ny harena ny fahasamihafana, hisongadina tsy ho ela i Madagasikara. Sanatria hifamadika amin’izay ihany koa anefa raha mitavozavoza ny Malagasy. Saika tafiditra ao anatin’io avokoa ny lafim-piainana rehetra, toy ny toekarena, fiarahamonina, kolontsaina, politika, fanatanjahantena… I Madagasikara rahateo midadasika be ! Ho an’ny kolontsaina, […]
Seho sy boky: nahasarika olona ny “Vahindanitra”
Araka ny efa nampoizina, nahaliana olona maro, mpianatra, mpampianatra, mpankafy literatiora sy mpikaroka isan-karazany ny hetsika “Vahindanitra” notanterahin’i Riva, ny zoma 2 desambra teo tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Ankoatra ny seho an-tsehatra, nomarihina tamin’ny tsangambato famoaham-boky “Vahindanitra” izany. I Mampandriniaina Manitra teo amin’ny fanentanana. Namelona ny seho tamin’ny fiantsana ry […]
Tsiahy Kaiamba: nafana ny hetsika, vitsy ny mpijery
Nihaona tamin’ny mpankafy azy, tetsy Antsahamanitra, omaly tolakandro, ny tarika Kaiamba. Seho nokarakarain’ny avy ao amin’ny Baobab Prod. Nafana ny hetsika na dia vitsy aza ny mpijery tonga teny an-toerana. Saika tazana teny an-toerana avokoa ny sokajin-taona rehetra. “Tsy lefy laza ny tarika Kaiamba, fa mbola manana ny mampiavaka azy”, […]
Inalco – Havàtsa-Upem: nomarihina ny «Andron’ ny haisoratra malagasy»
Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-70 taonan’ ny Havàtsa-Upem. Nomarihina, ny 3 desambra teo, tao amin’ny Inalco Frantsa (Institut national des langues et civilisations orientales) ny «Andron’ny haisoratra malagasy». Anisan’ny nomena lanja lehibe ny maraina ny tantaran’ny haaisoratra mifandraika amin’ny tantaram-pirenena, notanterahin’i Hajaina Andrianasolo, filohan’ny Havàtsa-Upem manontolo. Tafiditra tao anatin’izany […]